Politique

GTT International Genčve Toamasina Miaro ny ara-dalana sy ny tany tan-dalana


  • Talata 23 Aogositra 2011

Mazava izao fa “tondrozotra asiam-panitsiana ihany no haroson’ny SADC entina hamahana ny krizy politika eto Madagasikara”, araka ny tapaka tany Luanda farany teo.

 Tsy azo ihodivirana intsony ny fodian’ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny Amiraly Ratsiraka ary ireo nanao sesitany politika ny tenany tany ivelany noho ny valifaty sy ny fanenjehana ara-politika tao anatin’izay 29 volan’ny krizy sy fanonganam-panjakana nitranga teto amintsika izay. Nitsikera ireo GTT sandoka koa ny GTT International Genève Toamasina tamin’ny filazana fa “mpisandoka sy sandoka izay milaza azy ho GTT nefa miara-dia amin’ny FAT”.

Tsy miala amin’ny fijery hatramin’izay ny GTT International Genève dia ny fitakiana ny fiverenana amin’ny ara-dalàna sy ny tany tan-dalàna. Nanentaena hatrany ny mponin’i Toamasina izy ireo mba hanatevina ny Rodobe satria efa akaiky ny farany. Efa “mandresy isika Malagasy mitaky ny marina sy ny rariny ary ny demokrasia marina”. Isany mpanangana sy mpitarika ary mpiara-mpitantanana ny Rodobe ao Toamasina ny GTT International Genève sampana Toamasina.

 

Rakoutou

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT