Politique

GTT International Genčve Toamasina “Marc Ravalomanana no vahaolana”


  • Alakamisy 22 Desambra 2011

Tsy tara amin’ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena ny fikambanana GTT International Genčve sampana Toamasina.

 Manoloana ny fanambarana nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana ny amin’ny tsy maintsy hodiany eto Madagasikara, dia efa mivonona tanteraka amin’izany ireo tanora Gasy Tia Tanindrazana. Nisy ny fivoriana nataon’izy ireo ny talata 20 desambra teo niaraka tamin’ny solontenan’ny mpikambana avy ao Analanjirofo. Nisy ny toromarika nomena ireo GTT ao Fenoarivo-Atsinanana, mba hanentana hatrany ireo tanora any amin’ity Faritra ity hiomana amin’ny fitsenana ny Filoha Ravalomanana. Nanambara ireo mpitarika ny fikambanana GTT International Genève Toamasina fa vonona hatrany amin’ny fotoana hahatongavany eto Madagasikara. Marihina fa misy amin’ireo andian-tanora mivondrona ao anatin’ny GTT International Genève no nanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny 2009 ireny, fa noho ny fahatsapana fa tsy nitondra fanovana ity fitondrana ity fa fandrobana dia tapa-kevitra sy resy lahatra fa mila averina eo amin’ny Fitondrana ny Filoha voafidim-bahoaka, Marc Ravalomanana.

Nanamarika koa izy ireo fa efa tsy mahafehy ny zava-misy eto Madagasikara ny FAT porofon’izay ny zava-misy ankehitriny. Ny filoha Marc Ravalomanana mody an-tanindrazana no vahaolana sy hisian’ny fitoniana politika, hoy hatrany ireo mpikambana ao anatin’ny GTT International Genève sampana Toamasina ireto.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT