Politique

GTT International Genčve Manohana ny hevitry ny Amiraly Ratsiraka


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Vahinin’ny fandaharana “Volagno ny Marina” tao amin’ny Radio RNA Toamasina tamin’ny alalan’ny antso an-tariby ireo mpitarika ny fikambanana GTT International Genčve ny alin’ny sabotsy 19 novambra lasa teo.

 Ny filohan’ity fikambanana ity, ny Dr Gilbert Darsot (Marseille-Frantsa), dia nanamafy fa miezaka mamondrona ny hery ny Malagasy tia tanindrazana any ivelany mitady vahaolana hivoahana amin’izao krizy izao ary mitohy hatrany ny fandresen-dahatra ataon’izy ireo amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hanampy hatrany ny Malagasy hitady vahaolana hamahana ny krizy Malagasy. Ny Profesora Dieudonné Ranarison (Poitiers-Frantsa) izay tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ny GTT International Genève kosa dia nanamafy fa tsy miova amin’ny tanjony hatramin’izay ny fikambanana dia ny fampodiana ny Filoha Ravalomanana sy ny famerenana azy ho Filoham-pirenena. Rtoa Patricia Lehmann (Genève-Soisa) kosa dia nanizingizina hatrany fa “i Andry Rajoelina no sakana amin’ny famahana ny krizy”.

Tsy manana zo ho Filoham-panjakana izy raha ny fifanarahan’i Cotonou no ampiharina. Maika ho Filoham-pirenena i Andry Rajoelina ka midrikina haka ireo ministera ahafahana manatratra mora ny tanjona, hoy Rtoa Patricia Lehmann. Nanamafy koa ity olona akaiky ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ity fa manohana ny hevitry ny Amiraly Ratsiraka dia ny tokony hisian’ny fihaonana an-tampon’ireo filoha efa-tonta eto Madagasikara. Io fihaonana an-tampony eo amin’ny lehiben’ny ankolafy io no hamaritra ny fitsinjaran-toerana rehetra izay atao ara-drariny sy atao ara-dalàna tanteraka mba tsy hisian’ny adivarotra lavareny. Araka ny loharanom-baovao azo ihany koa, dia hanao hetsika lehibe ao Paris ho fanoherana ny Filohan’ny FAT ireo mpikatroka GTT International Genève ato ho ato.

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT