Politique

GTT France Haneho hery ao Parisy amin’ny sabotsy izao


  • Alakamisy 15 Martsa 2012

Somary nangingina ny GTT France hatramin’ny nahavitan’ny fanasoniavana ny tondrozotra. Na dia tsy mankato ny fanomezana an-dRajoelina ny fitantanana ny firenena aza ry zareo dia tsy nanao hetsika goavana fanoherana izany hatreto.

 Hiverina haneho ny tsy fankatoavany izao fitondrana izao indray ireo Malagasy mila ravinahitra any Frantsa ao anatin’ny GTT France amin’ny sabotsy 17 martsa eo amin’ny Place du Chatelet. Fitakiana ny fanavotana an’i Madagasikara izay “tantanin’olona tsy mahavita azy” no tanjona amin’ny hetsika. Mila aseho amin’ny vahoaka frantsay sy ny vahiny rehetra fa tena efa latsaka ao anaty lavaka mangitsokitsoka i Madagasikara, hoy hatrany ny fanambarana navoakany. Natao mifanindran-dalana amin’ny daty nanamarika ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ka nandrombahan’i Andry Rajoelina ny fitondrana ilay hetsika.
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT