Maneho ny ahiahiny ny mpiasan’ny Vondrona Sodiat, manoloana ireo tsindry miverimberina mihatra amin’ny orinasa iasan’izy ireo amin’izao fotoana izao.
Tamin’ireo savorovoro sosialy sy politika nifandimby nandalovan’ny Firenena dia ny lafiny ekonomika sy sosialy foana no mizaka ny voka-dratsiny, hoy izy ireo. Reny sy raim-pianakaviana an’arivony no latsaka anaty tahotra, hizaka indray ny tsy ara-drariny vokatry ny adilahy politika izay tsy misy idirany sy eo anatrehan’ ny tsy fitovian-kevitra eto amin'ny Firenena, hoy hatrany ireto mpiasa ireto tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo omaly. Misintona ny sain’ny rehetra sy ny tompon’andraikitra isan'ambaratongany ny mpiasan’ny vondrona Sodiat an’ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga ity, mba samy handray lesona avy amin’ny tantara efa nolalovan’ny Firenentsika, farafahakeliny ny taona 1972 ka hatramin’ny anio. Fampandrosoana ny tanindrazana iraisana no tanjona mba ho reharehan’ny taranaka, hoy izy ireo, koa mba ho fitoniana, firahalahiana, fifanajana, ary firaisankina no hibaiko antsika, indrindra izao ankatoky ny fahaleovantena izao, ary ho lavitra ny fifampisaratsarahana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.