Noho ny firongatry ny gaboraraka eto amin’ny firenena dia mitsangana manomboka androany 27 febroary (omaly) ny fikambanana antsoina hoe : «Groupe des 6» ahitana CT iray avy isaky ny Faritany enina eto Madagasikara, hoy ny fanazavan’ny filohany, ny CT Randrianasolo Nicolas teny Tsimbazaza omaly.
Tsy hanao fitsikerana be fahatany izahay, hoy izy, fa hitondra kosa arofanina na dia hoe efa somary tara kely ihany aza fa hanjakazakan’ny tsy fanarahan-dalàna loatra eto amin’ny firenena. Raha raisina ny resaka rivodoza nandalo farany teo iny, hoy izy, raha nandray ny andraikitra tandrify azy avokoa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny hatrany ifotony dia tsy ho tahaka izao loatra no niseho. Milaza ho tsy manam-bola lava isika, hoy ny CT Nicolas, ka miantehitra sy mangataka lava amin’ny any ivelany nefa ny harentsika eto tsy hita pesimpesenina.
Tsy mandray andraikitra ny amin’izany ny fanjakana ka ny vahoaka hatrany no misedra ny mafy eto. “Maninona raha avela hamidy ireo hazo efa voakapa ka ananan’ny tompony taratasy ara-dalàna fa tsy giazana fotsiny ao anaty kaontenera mba ho simba ?”, hoy ny G6, tahaka ireo «bois de rose» marobe sy ireo «palissandre» 600 kaontenera ao Mahajanga. Tena miha mahantra ireo manara-dalàna noho ny haba isan-karazany mbola alaina aminy amin’ny fanagejana ireo entana ireo, hoy izy, nefa dia mety hampidi-bola be ho an’ny kitapombolam-pirenena ny famotsorana an’ireo. Efa am-perinasa ny G6 ankehitriny, hoy Atoa Houssen Ibrahim mpampakateny, hitondra soso-kevitra mazava hoenti-mamaha izao olana mianjady amintsika izao ka tsy ho ela dia hatolotra ny filohan’ny tetezamita sy ny praiminisitra mivantana izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.