Politique

Grevin’ny mpivarotra amoron-dalana Misy ambadika politika


  • Alarobia 13 Janoary 2016

Mitohy hatrany ny fitokonana ataon’ireo mpivarotra amoron-dalana etsy Analakely taorian’ny nanesorana azy ireo tamin’ny toerany ka hampidirana azy any anatin’ireo tsena ara-dalŕna miisa 16 eto an-drenivohitra. Milanja sorabaventy toy ny hoe :

 

 “avelao izahay hivarotra” izy ireo sy ny hoe ; “nankaiza ny sary tapaka sy ny dika mitovy ny kara-panondronay nangonina”. Raha araka ny fanadihadiana nataonay teo anivon’ny Boriborintany I izay tena hivangongoan’ireo mpivarotra amoron-dalana dia misy ambadika politika ity hetsiky ny mpivarotra ity. Raha miisa 200 mantsy izy ireo no tonga manao ny fitokonana dia ny 30 amin’ireo no tena mpivarotra fa ny ankoatra izay dia ireo karazan’olona mively aponga izay fantatra fa mpisintona lakolosy avokoa. Ny mahavariana anefa, hoy Rakotomalala filoha lefitry ny delegen’ny boriborintany voalohany dia jeren’ny Emmoreg fotsiny izy ireny nefa efa midina an-dalambe sy tsy manara-dalàna  raha mitovy amin’izay ihany koa ny fitakiana ataon’ireo tia tanindrazana mitaky ireo nosy manodidina izay lasibatry ny baomba fandatsahan-dranomaso. Nomarihany manokana fa efa nisy ny ezaka nataon’izy ireo talohan’izao hetsika fanalana ny mpivarotra amoron-dalana izao. Ho an’ny boriborintany voalohany dia efa nisy ny fanangonana ny sary tapak’ireo mpivarotra sy ny dika mitovy amin’ny kara-panondrony hahafahana manome alalana azy ireo miditra amin’ny tsena ara-dalàna. 85 tamin’ireo mpivarotra miisa 1 900 monja anefa no nanao izany ka izao vao tonga saina ny sasany. Mikasika ireo efa nahafeno ny taratasiny moa dia fantatra fa miandry ny fandaminan’ny kaominina sisa dia hahazo toerana ara-dalàna amin’izay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT