Politique

Grenady Hisy mpanao politika hosamborina indray ?


  • Alarobia 31 Aogositra 2011

Mpanao politika indray no ao ambadik’ireny raharaha ratsy na ny fitorahana grenady etsy sy eroa ireny ? Raha ny filazan’ny mpitandro ny filaminana aloha dia marina izany.

Ireo aza dia nanamarika avy hatrany fa efa misy sahady ny mpanao politika ahiahiana ho ao ambadik’izao herisetra izao amin’izao fotoana. Raha tsiahivina dia in’efatra izay, tato anatin’ny tapa-bolana, no nisy tranga toy izany. Ny voalohany dia ny fitorahana ny tranon’ny minisitry ny fitsarana narahin’ny tao amin’ny RM1, ny faharoa dia ny toby Ratsimandrava ary ny fahatelo kosa dia ny tranon’ny Sekretera Jeneralin’ny minisiteran’ny mponina. Amin’ny Jeneraly Ravalomanana dia tsy misy tokony hahiana ny fisian-javatra toy ireny satria miendrika fampitahorana fotsiny ihany. Ara-politika indray anefa dia toa mampiahiahy ny maro ihany satria isaky ny misy zava-dehibe hotapahina eto amin’ny firenena dia misy hatrany ihany koa ny endrika fampitahorana toy ireny. Ary misy ihany koa aorian’izay ny fisamborana mpanao politika manana ny maha izy azy toy ny nanjo an’i Mamy Rakotoarivelo sy ny olony taorian’ilay fipoahana tetsy amin’ny Marais Masay izay nolazaina fa saika hifofoana ny ain’ny filohan’ny FAT.

 

Samy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT