Tokony handini-tena isika vahoaka manoloana an’ireo olona nametrahantsika ny fontsika tamin’ny fifidianana solombavambahoaka farany teo, hoy ny Green Gasikara soloin’ny mpandrindra ao aminy tena,
Atoa Fidison, fa tsy araka ny nifanarahana tamin’ny fampielezan-kevitra ny ataon’ireo depiote lany fa variana loatra amin’ny fitakiana ny tombontsoa mihoapampana (karama be, 4x4 …) ka tsy sahy midina akory eny anivon’ny vahoaka nifidy azy fa dia ny miketriketrika “motion de censure” hahazoana mitaky izany no mahamay azy ireo. Raha ny marina, hoy ity mpanao politika ity, dia ny “Motion de défaillance” na tsy fandehanan’ny PGE na ny fandaharan’asa ankapoben’ny governemanta no tokony ho nimasoan-dry zareo fa tsy tanteraka any amin’ny vahoaka akory ny fampanantenana natao taminy. Manana andraikitra amin’izany ny filoham-pirenena mampahatsiahy an’izany eo anivon’ny filankevitry ny minisitra dia manome baiko ny praiminisitra hanery ireo minisitra hanatanteraka ny tokony hataony avy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.