Tsapa ankehitriny fa toa nipirina sy nangina avokoa ireo nosokajiana fa «Grands dossiers” na raharaha mafampana nitranga tato anatin’ny fitondrana tetezamita.
Nisy ihany ny fanadihadiana efa natomboka, nanangana vaomiera parlemantera manokana mpanadihady mihitsy aza ny tao amin’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary maro be ny resaka natao fa tsy mety mivoaka ny marina. Teo, ohatra, ny raharaha nahafaty ny minisitry ny mponina teo aloha Rtoa Nadine Ramaroson tany Soanierana Ivongo. Nanizingizina ny fianakaviany fa tsy lozam-pivamoivoizana tsotra no nahafaty azy fa tena nisy mihitsy ny paikady natao hamonoana ity minisitry ny mponina sy ny raharaha sosialy teo aloha ity. Voatonontonona tao anatin’io raharaha io ny anaran’ny praiminisitra lefitra Hajo Andrianainarivelo. Nilaza fa tsy hanaiky ny CST Alain Ramarosona fa tsy maintsy hamoaka ny marina tsy ho ela. Toa nangiana anefa ny zava-drehetra amin’izao fotoana ary toa efa adino ilay tranga mampalahelo tany Soanierana Ivongo tamin’ny 28 aogositra 2011. Tafiditra ao anatin’ny “Grand dossier” ihany koa ny raharaha andramena. Toa misy andramena miondrana any Chine foana isan-kerinandro miala avy eto Madagasikara fa dia ny sombitsombiny no tratra, ka anaovana serasera be tahaka ireny hoe inona ireny ; fa ireo tena matavy hatoka amin’ity afera maizina ity dia tsy voakitika mihitsy.
Tsaroana eto koa ny fahaverezan’ny satroboninahitry ny mpanjaka teny Andafiavaratra ny 04 desambra 2011. Mariky ny tantaram-pirenena, harena sarobidy tsy ara-bola fotsiny fa ara-tantara, fa dia hoe tsy hita intsony ilay izy dia izay. Nijanona hatreo ny resaka. Inona marina no tena tao ambadiky ny famonoana ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara tamin’ny 09 desambra 2011 ? Toa nifandrirarira teny ny polisy sy ny mpitsara. Nifanao vava avy eo nampihavanina dia nambara fa hoe nilamina, na dia mety tsy tena izay aza ny tena marina. Herintaona latsaka kely koa izay no dify taorian’ny nandripahan-dry Remenabila ny mpitandro filaminana sy ny halatra omby goavana nataon’izy ireo, miampy fampijaliana olon-tsotra sy fandoroana tanàna, dia io fa manomboka mangina ihany koa ny fikarohana an-dRemenabila ilay lehiben’ny dahalo. Dia ambara fotsiny fa hoe efa mba nihena ny halatra omby sy ny vono olona any atsimo fa tsy tahaka ny teo aloha intsony.
Maro be ny resaka manodidina ity Remenabila ity, tahaka izany koa ny “Opération Tandroka” in-droa nataon’ny miaramila, fa ny vokatra dia tsy mbola voasambotra izy hatramin’izao ary mety mbola miketrika fanafihana foana, ary tsy hay izay zavatra mety mbola ho ataony, ny fifidianana anefa ity ho avy. Nampanantena fiovana goavana i Andry Rajoelina raha nitarika ny olona handrodana ny fanjakana, nony tonga teo anefa izy toa tena mbola lavitry ny afo ny kitay, ny faharatsiana no tena nitombo teto niha nahantra sy tsy milamin-tsaina ny Malagasy, ary efa mananika ny 85%-n’ny mponina no tena mahantra eto. Sa ve izany hiandrasana ny filoha vaovao ho voafidy eo ny fikarohana ny tena marina amin’ireo “Grands dossiers” ireo ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.