Politique

Grand Sud Antananarivo Mbola hifamono ny mpianatra raha tsy miala i Horace Gatien


  • Alakamisy 22 Septambra 2011

Manao ranolava ny fitakiana ny fialan’i Horace Gatien amin’ny fitantanana ny oniversiten’i Toamasina taorian’ny adin’ny mpianatra avy any avaratra nifanehitra tamin’ny zanaka atsimo atsinanana ka namoizana aina mpianatra iray.

 Nanamafy ny fikambanana Grand Sud eto Antananarivo, izay iraisan’ny mpianatra avy amin’ny Faritra 7 any Atsimo fa tsy hanaiky ny fampihavanana mihitsy ireo iray fiaviana amin’ny manana ny maty raha tsy miala amin’ny toerany ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina ankehitriny. Ity farany izay ambaran’izy ireo fa tsy nandray ny andraikiny feno ho fisorohana ilay fifamonoana. “Efa nesorina ny franchise universitaire, izany hoe efa nisy miaramila tao anatin’ny faritry ny oniversite kanefa mbola nitohy foana ny gidradigra”, hoy Razakandimby Rodlin, mpitondra tenin’ny Grand Sud Antananarivo. Misy koa anefa no mihevitra tamin’ireto mpianatra ireto fa manana fiandaniana amin’ny mpianatra FITEFA i Horace Gatien noho ity farany avy any Sambava.

Mampitandrina, araka izany, ny Grand Sud Antananarivo fa mety hisy foana ny fifamonoan’ny mpianatra raha tsy miala ny tenany. Marihina fa efa manomboka miharatsy koa ny fiarahamonin’ny mpianatra any amin’ny oniversite sasany noho io raharaha io. Efa niala teny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra izao ireo zanaka avaratra tao amin’ny oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa noho ny tahotry ny valifaty. Manainga ny fitondram-panjakana hananganana faran’izay haingana ny “Comité d’enquête mixte” ahitana ny solontenan’ny fitondram-panjakana, ny raiamandreny, ny ray aman-drenin’ny mpianatra ary ny solontenan’ny mpianatra hanadihady ifotony ny antony nahatonga ilay fifamonoana sy ny andraikitry ny tsirairay koa ankoatra izay ireto mpianatra ireto. Ny fivahan’ireo olana ireo no hampiverina ny fampianarana ao Barikadimy, araka ny nambaran’izy ireo hatrany.

 

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT