Nanantotosa fihaonambem-paritra tao Antsirabe ny sabotsy 10 martsa lasa teo ny fianakaviamben’ny Grad Iloafo tao amin’ny Faritra Vakinakaratra, notarihin’ny CT Rasolofondramananjatovo Berto, mpandrindram-paritra ao Vakinankaratra notronin’ny filoha nasionalin’ity fikambanana ity dia ny Pr Randriamarolaza Louis.
Nandritra ny fihaonana no nanamafisan’izy ireo indray ny fanambarana izay efa nataony fa “tsy nisy tsy diso ny mpitondra rehetra teto Madagasikara na olom-boafidy na olom-boatendry na nanandra-tena fa samy nanao ratsy daholo, koa tsy ekena ny fisian’ny tsy maty manota ka tokony hiaiky heloka avokoa izy ireo ary mifamela heloka”. Nambaran’izy ireo koa fa “nosy i Madagasikara ka tsy misy azo roahina sy tsy avela hiditra eto izany ny Malagasy”. Nambaran’izy ireo fa aorian’izay fiaikena heloka izay dia tokony hifanao dina sy fifanekem-pihavanana ny rehetra, indrindra fa ny mpanao politika mba hiverenan’ny fiarahamonina tsy misy raorao. Ireo rehetra ireo dia ny fiaikena heloka arahin’ny fafamelan-keloka ary hamafisin’ny fifanekem-pihavanana no ahafahana manorina an’i Madagasikara vaovao.
Raha ny sitraky ny Grad Iloafo dia tokony hovitaina ao anatin’ny telo volana ka hatramin’ny enim-bolana ireo dingana ireo mba ahafahana miroso amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona 2012 ity satria izay no marika maneho ny fifaranan’ny krizy ka manomboka eo ny famahana ny krizy ara-tsosialy sy ara-toekarana. Nomarihin’izy ireo fa ny tondrozotra dia lalana mitondra any amin’ny famahana ny krizy ihany ka aleo manana azy toy izay tsy misy, hoy izy ireo namarana ny fanambarana.
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.