Nanomboka omaly alatsinainy 02 desambra hatramin’ny alahady 15 desambra izao dia any Sina ny ankamaroan’ny governoram-paritra manatrika fiofanana mikasika ny fitantanana sy fanamafisana ny vondrom-bahoakam-paritra.
Ny firenena sinoa moa no miantoka fa tsy volam-panjakana. Tena hafa mihitsy ny zava-misy eto amintsika. Ny fanendrena ireo governora efa nanjavozavo dia izao indray mandray an-tanana azy ireo ny firenena sinoa. Ny fanendrena ireo governoram-paritra 11 ambiny moa dia mbola mitarazoka. Ny sinoa ve izany no hahazo ireo tolotr’asa eo anivon’ny faritra ? Hisy tambiny manokana ve izao fiofanana izao ? Ny firenena sinoa moa tato ho ato dia matetika hita amn’ny haino aman-jery amin’ny karazana fifanarahana eo amin’ny sehatra maro toy ny tontolo iainana, fizahantany… Antenaina mba holovain-jafy daholo ny fotodrafitrasa ho avy eo ary mba tena mifanaraka amin’ny soatoavina sy ny kolontsaintsika fa tsy ho peta-toko na koa ny vahiny no hahazo tombontsoa manokana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.