Tontosa omaly tetsy amin’ny biraon'ny faritra Analamanga Ambohidahy ny fifamindram-pahefana teo amin’ny Governora vaovao eto amin’ny Faritra Analamanga,
Rasoamaromaka Herilalaniaina sy ny lehiben'ny Faritra teo aloha mpisolo toerana, Ravomanana Vincent. Tonga nanatrika ny lanonana ny minisitry ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny prefen'Antananarivo Renivohitra sy ireo lehiben'ny Distrika eto amin’ny FaritraAnalamanga. Nanambara ny Governora vaovao fa hanao an-tsakany sy an-davany ny asa iandraiketany. Nanantintrantitra izy fa misokatra sy miara-miasa amin’ireo rehetra tsara sitrapo ka vonona hampandroso miaraka ny Faritra Analamanga. Efa maro ihany koa hoy izy ireo mpiara-miombon’antoka vonona hifanome tanana amin’izany. Nilaza ihany koa ny tenany fa hanao laharam-pahamehana ny fotodrafitrasa, indrindra fa ny lalana ary tsy ho hita anaty birao matetika amin’ny fanatanterahana izao andraikitra.
Tsirinasolo
Legende: Ny Governora vaovao eto amin’ny Faritra Analamanga, Rasoamaromaka Herilalaniaina (mitsangana) sy ny lehiben'ny Faritra teo aloha mpisolo toerana, Ravomanana Vincent (mipetraka)
Rakotobe Michel
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.