Naneho ny heviny mikasika ny fahitany ny fanovana governemanta farany teo ihany koa ny antoko Vahoaka Miray na VAMI tamin’ny alalan’ny Sekretera jeneraliny, Gaby Vakiniadiana.
Niendrika fanontaniana ny valinteniny raha nilaza fa nahomby ve, hoy izy, ilay “gouvernement de combat” sa hatramin’ny vahoaka mihitsy aza izao no tena anaty “combat”? Ireo minisitra telo nalana tamin’ny toeran’ireo ihany ve, hoy ny fanehoan-keviny no tsy nahavita ny ady no toa mbola eo amin’ny toerany ihany hatramin’ilay nitarika io governemanta io? Nilaza ny fanahiany moa ity mpanao politika ity fa mety ho paikady hanomanana ny taona 2018 iny fanovana governemanta iny ary mihevitra fa mety omena toerana ambony kokoa toy ny toeran’ny praiminisitra ny minisitry ny raharaham-bahiny raha ny traikefa nananany. Hita ho efa manome karatra mena izao fitondram-panjakana izao avokoa, hoy ny tenany, na ny mpanohitra na ny fiarahamonim-pirenena, na ny mpitana ny fomban-drazana, eny hatramin’ny sehatra iraisam-pirenena saingy mbola laviny foana izany hatramin’izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.