Politique

Governemantan’i Kolo Roger Mampijabaka ny solombavambahoaka


  • Alakamisy 31 Jolay 2014

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 30 jolay teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza, araka ny didim-panjakana lah.2014-1115 navoakan’ny mpanatanteraka, ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenena amin’ity taona 2014 ity.

Niantso ny iraisam-pirenena

Hitan’ireo vahiny nasaina tonga nanotrona ity lanonam-panokafana ity omaly ny praiminisitra notronina minisitra maro, ny filohan’ny FFM sy filoha lefitry ny CENI-T ary ny Lehiben’ny Faritra Analamanga fa somary sahirana ihany ny filohan’ny Antenimieram-pirenena nibata ilay lakolosy somary lehibe kokoa no teo anoloany tamin’ity indray mandeha ity. Niantso ampahibemaso ny Vondrona Iraisam-pirenena ny lehilahy mba hijery amin’izay ny fanampiana ny vahoaka malagasy efa trotraky ny krizy fa efa mba nahatanteraka an’ireo fepetra samihafa notakian’izy ireo ihany fanaovana fifidianana, firosoana amin’ny fanjakana tsara tantana … saingy tsy niresaka ny fampiharana ny voalazan’ny tondrozotra kosa ka nanontanian’ny mpanao gazety tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny manankaja nifampitana vaovao tsotsotra avy eo. Efa tany amin’ny andron’ny tetezamita ny tondrozotra, hoy izy, ary marina fa misy andininy sasantsasany tsy mbola nampiharina tahaka ny andininy faha-20. Tsy hoe tena fepetra notakian-dry zareo mazava anefa io, araka ny fanazavan’ity filohan’ny Antenimieram-pirenena ity, ka tokony hifampidinika ny amin’izany ry zareo Iraisam-pirenena sy ny governemanta malagasy.

Nampijabaka

Nambarany moa fa misy volavolan-dalàna 12 no nalefan’ny mpanatanteraka hodinihana amin’ity fotoam-pivoriana ity, izany hoe iray isan’andro raha atao ny salan’isa amin’ny faharetan’ny fivoriana (12 andro). Misy roa amin’ireo anefa, hoy izy, tsy ho azo dinihana satria lalàna fehizoro ka ny lalàmpanorenana dia milaza fa 15 aorian’ny andro nametrahana azy eny amin’ity rafitra ity vao azo  kitihana ireo volavolan-dalàna ireo. Mandika lalàmpanorenana izahay raha miala amin’izany. Raha ny marina izany dia mampijabaka solombavambahoaka ny mpanatanteraka nandefa an’ireo lalàna fehizoro roa ireo. Marihina fa navadika ho toerana nandraisan’ireo depiote sy ny olona nasainy ody am-bavafo ilay toerana malalaka nisy seza « salon » fanarahan’ny mpanao gazety mivantana amin’ny fahitalavitra ny hetsika tahaka ity niseho omaly ity eny Tsimbazaza. Nifanotofan’ny mpanao gazety tety ivelany ny ministry ny fitsarana mikasika ilay lalàna « cybercriminalité ». Somary nangadihady ihany moa ny seza maro tao an-trano fivoriana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT