Politique

Governemantan-dRajoelina io “Tsy maintsy ho rava”, hoy ny Pr Zafy Albert


  • Alakamisy 24 Novambra 2011

«Governemantan’i Andry Rajoelina fa tsy governemanta napetraky ny praiminisitra. Amin’io zavatra tsy mety ataon’i Andry Rajoelina io dia ny miala no mety aminy. Ny olona mangalatra dia tsy mendrika ny hitondra firenena, eny fa na dia ho filohan’ny tetezamita aza”.

 Ampahany tamin’ny fanambarana nataon’ny profesora Zafy Albert tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly izany. Niavaka tokoa ny hetsika teny amin’ny Magro, omaly io, satria tonga teny an-toerana avokoa ireo lohandohan’ny mpisorona avy amin’ny ankolafy roa dia Ravalomanana sy Zafy, eny fa na ireo minisitra voatendry ao amin’ny governemanta Beriziky aza, toa an-dRtoa Ruffine Tsiranana sy Tabera Randriamanantsoa. Nohamafisin’ny Pr Zafy fa “tsy mankasitraka io governemanta io ny ankolafy Zafy Albert, Ravalomanana ary ny Monima”. Noho ireo tsy ara-dalàna rehetra niseho, hoy ihany ity filoha teo aloha dia tsy maintsy ho rava sy ho faty toy ny governemanta teo aloha io natsangana io. Efa nandefa taratasy eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena rahateo ireo firehana anatin’ny Mandan’ny Fanoherana ireo, toy ny Vondrona Eoropeanina, Vondrona Afrikanina, ny Troika sy ny filohany ary ireo masoivoho vahiny rehetra monina sy miasa eto Madagasikara ka nambaran’ny profesora Zafy fa tsy hahazo fankatoavana izany na oviana na oviana io governemanta io. Anisan’ny voalaza ao anatin’ilay taratasy nataon’ireto Ankolafy telo ireto ho an’ny fianakaviambe iraisam-pirenena moa ny filazana fa tsy ara-dalàna ny nametrahana ny governemanta Beriziky, nitsabaka sy niditra ary nifidy minisitra sy ministera ihany koa i Andry Rajoelina izay tsy andraikiny velively, teo koa ny fampivakisana ministera.

Ho tonga ny filoha Ravalomanana

Aorian’ny fahatongavan’ny amiraly Didier Ratsiraka anio dia nambaran’ny Pr Zafy Albert fa tsy maintsy ho tonga afaka andro vitsy koa ny filoha Ravalomanana ka tsy maintsy hotanterahina ny fihaonana eo amin’ireo filohana ankolafy hananganana ny tena tetezamita sy ny tena governemanta. Fa raha hiverenana ny fananganana governemanta farany teo, araka ny fanazavan’ny profesora ihany, dia nanolotra lisitra ny ankolafy tarihiny, toy ireo nanao sonia. Nitsabahan’i Andry Rajoelina sy ireo mpanolotsainy anefa, raha ny fanazavana ihany ka novakivakian’izy ireo avokoa ireo ministera maloto tokony hanaovana famotorana toy ny ministeran’ny fitantanam-bola, ny fanapariaham-pahefana, ny angovo sy harena ankibon’ny tany. Tsy nanaiky izany ny ankolafy ka nilaza fa tsy handray anjara amin’ny governemanta amin’izao endriny izao. Tokony ho nisy fikaonan-doha indray mandeha indray hanomezana lisitra vaovao, raha ny fanazavan’ny profesora ihanyn kanefa dia tsy nisy izany ary tsy nisy akory fihainoana sy fifampiresahana natao tamin’izy ireo fa avy hatrany dia iny navoaka iny ary dia vao mainka novakiana ireo ministera ka lasa telopolo mahery ny isany. “Tsy nanolotra olona tamin’io governemanta io izahay, noho izany ireo olona voatonona fa olona avy aty amin’ny ankolafy raha hijanona ao dia manala tena ary anisan’ny ankolafy Rajoelina dia TGV, misandoka ary novidiana”, hoy ny Pr Zafy Albert. Nambarany fa nanana lisitra ny praiminisitra Beriziky saingy tsy noraharahain’i Andry Rajoelina izany. Nisy ihany lisitra nalefa tany amin’ny ankolafy Zafy ny alatsinainy lasa teo kanefa dia tsy nitovy tamin’izay lisitra notononina teny Iavoloha, hoy ny Pr Zafy Albert. “Fitaka lehibe no natao anay ary nandritra ireny fananganana ny governemanta ireny dia nokorontanina sy nampihorohoron’i Andry Rajoelina sy ireo mpanolotsainy ingahy Beriziky, eny hatramin’ingahy Fransman”, hoy ihany ny profesora nanazava. Ankoatra izay dia nohamafisiny koa fa tsy manana fahefana manokana hifidy sy hanendry olona ho minisitra i Andry Rajoelina satria tsy filoham-pirenena voafidim-bahoaka sady tsy voasoratra ao anatin’ilay sori-dalana rahateo izany. Ankoatra ireo dia nanao ampamoaka indray ny profesora. Nosinganiny manokana ny minisitry ny fitsarana izay nambarany fa manana dosie maloto. Tetezamita madio sy tsara tantana anefa no tanjona, hoy ny Pr Zafy Albert hahatongavana amina fifidianana malalaka sy azo antoka. Ankoatra izay dia nanentana ny vahoaka ho tonga maro hitsena ny Amiraly moa ny profesora ho an’ity anio ity.

Soa

Sary : ny Profesora Zafy Albert tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT