Politique

Governemanta vaovao Nahazo seza ireo akama


  • Zoma 25 Janoary 2019

Nivoaka omaly ny didim-panjakana n° 2019 – 023 nanendren’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ireo mpikambana vaovao ao amin’ny governemanta tarihan’ny praiminisitra Christian Ntsay.

 

 Somary endrika vaovao ny mpikambana sasany ao anatin`ity governemanta ity. 22 no isan’ireo mpikambana, ka ny 21 minisitra, ary ny iray sekreteram-panjakana, miisa 5 kosa no vehivavy ao anatin’izany; tsy araky ny resaka tany anaty propagandy hoe atao mitovy ny isan’ny minisitra lahy sy vavy.Tsapa ihany koa fa nankasitraka ireo mpiara-miasa aminy efa hatramin’ny 2009 i Andry Raoelina ka nanome toerana ny Jeneraly Ravalomanana Richard sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy; tsy nanadino ihany koa ireo mpanohana azy toa an’i Naina Andriantsitohaina, mpandraharaha lasa minisitry ny raharaham-bahiny.Tafaverina tamin’ny toerany ihany koa ny minisitry ny atitany Tianaharivelo Razafimahefa , izay nalaza faran’izay haingana nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo.Torak’izany ihany koa ny minisitry ny mponina Naharimamy Irmah, izay Mapar iringiriny ary sarotsarotra ahilika tahaka an’i Tinoka Roberto ihany koa, izay nisy fotoana nalaza ratsy noho ny resaka diplaoma.Hisy ny tomban’ezaka amin’ny asan’itygovernemanta ity afaka enim-bolana, ary enim-bolana aorian;izay indray, izany hoe afaka herintaona no hiova indray ny governemanta ka hisy ny ho voaaroaka sy ho voatazona.

 

  1. Minisitry ny fiarovam-pirenena : Jeneraly Leon Richard Rakotonirina.
  2. Minisitry ny toekarena sy ny vola : Richard Randriamandrato.
  3. Minisitry ny raharaham-bahiny i Naina Andriantsitohaina.
  4. Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana , minisitry ny fitsarana :Jacques Randrianasolo.
  5. Minisitry ny filaminam-bahoaka :Rafanomezantsoa Roger
  6. Minisitry ny fahasalamam-bahoaka : Julio Rakotonirina
  7. Minisitry ny fambolena, fiompiana sy ny jono :Fanomezantsoa Lucien Ranarivelo
  8. Minisitry ny angovo sy ny akoranafo : Vonjy Andriamanga
  9. Minisitry ny harena ankibon’ny tany : Fidinarivo Ravokatra
  10. Minisitry ny fitaterana, ny fizahantany sy ny famantarana ny toetrandro : Joel Andriamandranto.
  11. Minisitry ny asam-panjakana sy ny asa sosialy : Gisèle Ranampy
  12. Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa : Madeleine Félicité Rejo Fienena
  13. Minisitry ny indostria, varotra sy ny asa tanana : Lantosoa Rakotomalala.
  14. Minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra sy ny fampandrosoana ny haitao ara-kajy mirindra : Christian Ramarolahy
  15. Minisitry ny atitany:Tianaharivelo Razafimahefa 
  16. Minisitry ny mponina sy asa sosialy: Naharimamy Irmah.
  17. Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina: Lalatiana Rakotondrazafy
  18. Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena: Jeneraly Richard Ravalomanana
  19. Minisitry ny fanajariana ny tany, toeram-ponenana sy ny asa vaventy: Hajo Andrianainarivelo
  20. Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra: Alexandre Georget.
  21. Minisitry ny fanatanjahantena sy ny tanora: Tinoka Roberto
  22. Minisitry ny fanabeazam-pirenena, fampianarana ara-teknika: Volahanta Marie-Thérèse.

 

 

Marigny A sy Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT