Mandeha ny resaka fa mampiasa ireo sendika sy fikambanan’ny mpampianatra amin’ny tombontsoany ny minisitry ny fanabeazan’ny tetazamita Atoa Manoro Régis.
Misy ny taratasy nasaina nosoniavin’ny SEMPAMA VAOVAO, ny SEMPAMA VORY SAINA, ny SEMPAMA NOSY ary ny ANEFA (Fikambanan’ny mpampianatra FRAM) izay mangataka ny hitazonana an’i Manoro Régis amin’ny toerany ankehitriny amin’ny governemanta vaovao. Ny SEMPAMA izay miaraka amin-dRaharivoatra Claude ihany no tsy anisan’ny nasaina nanao ilay fanohanana noho ity farany izay nanohitra hatramin’ny farany ny minisitra tamin’ireny fotoana namaivay tamin’ny fitokonan’ny mpampianatra mpanabe ireny. Momba ny resaka sendikalisma izay ihany dia nampiantso fivoriana tetsy amin’ny INFP Mahamasina ny SEMPAMA Nosy omaly. Ireo mpampianatra rehetra eto an-drenivohitra sy ny manodidina miampy an’Avaradrano sy Atsimondrano no niantefan’ny antso. Nisy moa ny antso nalefa tao amin’ny fampahalalam-baovaon’ny TVM ny alakamisy alina. Tonga maro tokoa ireo mpampianatra saingy niverin-dalana ny ankamaroany rehefa tsy resy lahatra loatra ny maha zava-dehibe ilay fivoriana maika. Tsy vitsy tamin’ireo rahateo koa no mitazona kilasy manala fanadinana ka tsy te hanapatapaka
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.