Politique

Governemanta vaovao Misy minisitra nenjehin’ny Bianco


  • Talata 19 Aprily 2016

Vao manomboka dia masiso ! Fantatra izao fa misy minisitra amin’ireo vao notendrena ao amin’ny Governemanta Mahafaly no nanana raharaha teny amin’ny Bianco

 

. Dosie roa be izao no niandry azy teny, ary efa nisy fotoana niantsoana azy teny Ambohibao mikasika ireo raharaha mahavoasaringotra azy ireo. Minisitra tamin’ny andron’ny tetezamita izy no notendren’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina ho isan’ireo minisitra ao anatin’ny Governemanta Mahafaly Olivier, ary nanankinana depatemanta anisan’ny stratejika amin’ny fiainam-pirenena. Nangingina ny dosieny tato ho ato, raha tsy hoe nampanginin’ny Fitsarana. Maro no miahiahy amin’izao namerenana azy ho minisitra izao indray, sao hamerina na hanohy ny nataony efa nanenjehana azy, na koa hanao valifaty amin’ireo izay nitoroka azy tany amin’ny Bianco tamin’ireo dosie roa nisy nametraka tany ireo. Raha itsy voalohany no mitranga, dia ho rano atondraka ambohon-gisa ny governemanta hiady amin’ny fahantrana nodradrain’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier sy nataony litania tamin’ny talata 12 aprily 2016, nanaovana famindram-pahefana teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo, ka nandraisany ny fahefana feno amin’ny maha praiminisitra lehiben’ny governemanta azy. Raha hanao valifaty indray ilay minisitra, satria izy moa izao no tompon’ny fahefana, dia vao mainka tsy hisy vokatra ho azony. Eo no mipetraka ny fanontaniana hoe : inona no nahatonga ny safidin’ny filoha hirona tany aminy, ka notendreny ho minisitra ; amin’izay indray ka minisitera stratejika no nankinina aminy ? Eo isika mahita izy !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT