Ny faran’ny herinandro izao no andrasana ny fivoahan’ny governemanta vaovao tarihin’ny praiminisitra Olivier Mahafaly Solonandrasana
. Ho an’ny valala tsy mandady harona aloha dia praiminisitra avy tao amin’ny ekipa efa tsy nahomby tamin’ny andron’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ity voatendry hisolo azy ity ka tsy dia hisy zava-mahagaga hantenaina aminy eo. Ho an’ireo minisitra kosa dia maro ny efa mangidy hoditra amin’ny vahoaka saingy ny filoham-pirenena ihany moa no tompon’ny teny farany amin’ireo izay hosoloina sy ny hafindra toerana. Ho an’ny minisiteran’ny atitany sy ny zava-kanto ary ny ny Jono aloha dia tsy maintsy hisolo satria lasa loholona ny minisitra roa tao. Misy ireo minisitra heverina fa hailika ho an’ireo minisitera nahabe resaka toy ny an’ny Angovo amin’ity fahatapahan-jiro lava ity, ny minisiteran’ny Asa Vaventy izay vao nahazo fanakianana mavaivay ny faran’ny herinandro teo, ny minisiteran’ny Tontolo iainana noho ny trafikana andramena tsy misy fiafarany ao. Ho an’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny Asa ary ny Lalàna Sosialy moa dia miteny ho azy ireo fitokonana etsy sy eroa, tahaka ny nitranga nanomboka omaly ho an’ny mpiraki-draharaha sy ny mpiambina fonja. Tao amin’ny minisiteran’ny Asam-panjakana aza moa dia nisy fotoana efa saika ny tale rehetra mihitsy no nanao fametraham-pialana faobe. Raha ny lojika politika dia ho governemanta HVM 100% amin’izay no hijoro eo taorian’ny fandresen’ity antoko ity tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy loholona. Araka izany, mety ho ao anatin’ireo minisitra handeha ny minisitry ny ankolafy Ravalomanana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.