Politique

Governemanta vaovao Mankasitraka ny Frantsay


  • Alarobia 23 Novambra 2011

Tsy miafina intsony ! Namoaka fanambarana ny sampandraharaha frantsay misahana ny raharaham-bahiny omaly mikasika ny fitsanganan’ny governemanta vaovao ny alatsinainy 21 novambra teo.

 Tamin'izany no nilazany fa mankasitraka io governemanta io ry zareo Frantsay. Feno ny fepetra, hoy ilay fanambarana ahafahan'ny fianakaviambe iraisam-pirenena manampy ny firenena malagasy na ny mpitondra FAT izany amin'ny famatsiam-bola. Manohana io governemanta Beriziky vao nitsangana io ihany koa ny Frantsay. Mazava izany manomboka eto fa manohana ampahibemaso ny FAT ny Frantsay na ny mpitondra ao aminy. Tsy misy tsy mahalala anefa fa governemanta nataon'olon-tokana io vao nitsangana io fa tsy nisy mihitsy ny fiarahana tamin'ny mpanohitra. Mazava rahateo ny filazan'ny ankolafy Ravalomanana sy Zafy fa tsy miombon-kevitra amin'ny FAT amin'ity governemanta ity izy ireo. Raha tsorina dia ny FAT ihany no manao izay tiany samirery eto amin'ny firenena amin'izao fotoana izao. Derain'ny Frantsay izany tranga misy eto amin'ny firenena izany.
Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT