Fomba fijery tsotra no azo andikana ny fihetsiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena ankehitriny manoloana ny fananganana ny governemanta.
Mila olona mahatoky amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Fantatra mantsy fa tsy ny fanendrena ny praiminisitra ihany no manahirana ny filoham-pirenena Malagasy vaovao fa ireo mpikambana handrafitra ny governemanta mihitsy.
Ankoatra ny fitadiavana izay ho lehiben’ny governemanta, ohatra, dia mijery akaiky ireo olona mendrika enina hitantana ny minisiteran’ny Fitsarana, ny Raharaham-bahiny, ny Fanabeazam-pirenena, ny Atitany, ny Fanapariaham-pahefana ary ny Fitantanam-bola miaraka amin’ny Tetibola ny Vondrona eoropeanina, i Frantsa, i Etazonia, ny Banky iraisam-pirenena ary ny Banky Afrikanina momba ny Fampandrosoana. Volabe moa no mihodina ao anatin’ireo departemanta ireo ka mila fitantanana madio sy mangarahara ary mahomby ireo vondrona iraisam-pirenena mpamatsy vola voalaza ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.