Politique

Governemanta vaovao Mampiozongozona ny sezan’ny filoha


  • Alarobia 13 Aprily 2016

Tokony hifantoka betsaka amin’ny fanamafisana ny fampihavanam-pirenena hametrahana ny rafitra tena izy ny asan’ny governemanta vaovao hijoro eo, hoy ny sekretera jeneralin’ny Avotra ho an’ny Firenena.

Hipetraka ho azy mantsy amin’izay ny fahamarinan-toerana politika eto Madagasikara. Tsy hampiova ny zava-misy eto amin’ny firenena rahateo ny fanovana praiminisitra isan-taona. Ahiana hiozongozona mihitsy aza ny sezan’ny filoha Rajaonarimampianina raha tsy mbola ahitam-bokatra ho an’ny vahoaka ny asan’ny governemanta manaraka eo, araka ny fanazavany. Olana fototra eto amintsika hatreto moa ny rafitra mifantoka betsaka amin’ny fiarovana fahefana sy seza napetraky ny mpanjanatany, araka ny fanazavan’ny dokotera Razafindrakoto Harisson. Eo ihany koa ny tsy fananan’ny filoham-pirenena ankehitriny fotokevitra mazava hitondrana ny tany sy ny fanjakana na ny lafiny ara-politika io na ny sehatra ara-toekarena na koa ny tontolo sosialy mahakasika ny vahoaka mivantana. Voasembantsembana tsy afaka niasa malalaka rahateo ireo praiminisitra nifandimby hatramin’ny taona 2013 vokatr’io fandaharanasa manjavozavon’ny filohan’ny Repoblika io. Tsy mbola misy rahateo ny mpanohitra ara-dalàna ao anatin’ireo rafi-panjakana mijoro.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT