Governemanta hiady no hajoro, hoy ny nambaran’ny praiminisitra vaovao ka hifampidinihany amin’ny lafin-kery politika samihafa. Tsilian-tsofina kosa anefa no nandrenesana fa ho fehezin’ny antoko Hvm tanteraka ity governemanta Mahafaly ity mba hahazoana antoka ny fanomanana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018.
Tamin’ny alalan’izany feo izany no nandrenesana fa mety ho Atoa Rakotovao Rivo, filohan’ny antoko Hvm mihitsy no hatao minisitry ny Vola sy ny Tetibola. Ny loholona Riana Andriamandavy VII, izay fianakaviana akaiky an-dramatoa Claudine tompon’ny hotely A&C no hiverina hiditra ao anaty governemanta ka hitantana ny minisiteran’ny Fanajariana ny Tany. Rasolojaona Tahiana na Jay Taxx (tompon’ny Rdj) kosa no tombanan’ny maro fa hitantana ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena raha toa ka mangoron’entana ireo minisitra Roland roa dia Ratsiraka sy Ravatomanga. Hijanona anaty governemanta kosa Rtoa sy Atoa isany Ndahimanajara Johanita, Atallah Béatrice, Paul Rabary, Narson Rafidimanana, Dominique Rakotozafy. Vinavina daholo ihany moa izany fa ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra no tompon’ny teny farany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.