Politique

Governemanta vaovao Hailika ny TIM ?


  • Alatsinainy 11 Aprily 2016

Tamin’ny fifidianana ny filohan’ny antenimierandoholona sy ny fanendrena ny praiminisitra dia nanao izay tiany ary nametraka ny olony ny antokon’ny fitondrana HVM.

 

 Olona notendren’ny filoham-pirenena ho loholona dia Atoa Honoré Rakotomanana no voafidy ho filohan’ny antenimierandoholona ary nogiazan’ny HVM ny toerana amin’ny birao maharitra rehetra eny amin’ity andrim-panjakana ity. Iza no tsy mahalala fa niasa mafy ho amin’ny fampandaniana ny kandidan’ny HVM nandritra ny fifidianana ben’ny tanàna sy loholona ny minisitry ny atitany Solonandrasana Mahafaly Olivier izay voatendry ho praiminisitra ankehitriny, izy izay minisitra « coach » ho an’ny faritra Sofia. Efa azo sary an-tsaina ihany, araka izany, ny mety ho firafitry ny governemanta vaovao eo ary raha ny feo re hatramin’ ny sabotsy lasa teo dia mety hailika tanteraka ao anatin’io governemanta io ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Efa mazava ny resaka izao fa tsy miraharaha fampihavanam-pirenena izany intsony ny HVM fa efa mametraka ny olony etsy sy eroa hanomanana ny fifidianana filoham-pirenena manaraka eo. Ireny niaraha-nahita ireny ny antsojay natao an’Atoa Ravalomanana sy ny orinasa Tiko ary tena tsy te hahalala ny fitondram-panjakana fa mahita ambara foana mba hakana ny tanin’ny Tiko, tsy misy intsony ny fifampiresahana. Atoa Marc Ravalomanana moa efa nilaza fa kandida filoham-pirenena ka lôjika politika ny hanilihan’ny HVM ny olon’ny TIM ao anaty governemanta. Handamin-javatra ve izany sa vao miha hampitombo ny sangodim-panina politika ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT