Teratany Malagasy miisa 7855 avy eto an-toerana, avy any Eoropa, Etazonia, Afrika, Canada no namaly ny antso nataon’ny fitondram-panjakana Malagasy tamin’ilay fitadiavana manam-pahaizana sy teknisianina hiasa eo anivon’ny rafim-panjakana maro samihafa,
araka ny fampitam-baovaon’ny fiadidiana ny repoblika voaray omaly hariva.Ireo izany ny olona nandefa CV, ka mitsinjara ho toy izao izany : ireo maniry ny ho minisitra : 460; maniry ho governoram-paritra : 243.Sekretera jeneraly eny anivon’ny ministera : 231; ny maniry ho tale jeneraly eny anivon’ny ministera : 779….Santionany ihany ireo fa raha atontaly dia tahaka izao ireo vonona ny ho mpisahan-draharaha ambony : 4156 ary Mpitantana eo anivon’ny fanjakana : 3699. Ireo no ahazoana ny totaly 7855.Araka ny fampitam-baovao voaray ihany, nhy fitondram-panjakana dia misaotra ny fahafoizan-tena hanolon-tanana amin’ny fitondrana eo amin’ny fanarenana ny firenena. Anjaran’ny kabinetra miandraikitra ny fanadihadiana sy fandraisana ary fandinihana ny antotan- taratasy rehetra voaray, no manohy ny asa ! Miisa telo izy ireo SGGroup, Agile ary Coef ressources. Ny fitondram-panjakana foibe kosa no hizaha sy hangataka araky ny filan’ny sampan-draharam-panjakana isan-tokony avy ireo manam-pahaizana Malagasy vonona hifanolon-tanana araka izay lamina nambaran’izy ireo tao anatin’ny famaliana ny tolotra ho amin’ny fitondram- panjakana ary manaiky ny rindran-damina napetraka sy voarikitra ao anatin’ny IEM narindran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.