Politique

Governemanta sy depiote Manao resaky ny moana sy marenina


  • Zoma 24 Novambra 2017

Nambaran’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier halina raha namaly ny fanontanian’ireo solombavambahoaka teny Tsimbazaza izy fa tsy maintsy nakatona ny orinasa AAA Tiko ao Andranomanelatra Antsirabe satria misy ny zavatra tsy ara-dalàna.

 Tsy niova tamin’ny heviny, araka izany, ny fitondram-panjakana ary tsy manaiky ny fifampiresahana handaminana ny resaka mihitsy fa dia manohy ilay valy boraingina hatrany. Malagasy an-jatony anefa no very asa mivantana noho ny fanakatonana io orinasa io. Teo amin’ny sehatry ny fifidianana indray, mbola nanizingizina ingahy praiminisitra fa efa nohenoina ny rehetra, noraisina ny soso-kevitra fa anjaran’ny governemanta kosa no mandrafitra ny volavolan-dalàna ary ampifanarahana amin’ny fenitra iraisam-pirenena sy ny lalàna manankery eto ary ny soatoavina Malagasy. Any amin’ny depiote na loholona indray manolotra soso-kevitra ireo izay mbola te hanao izany, hoy ny praiminisitra. Mitovitovy amin’io fomba famalin’ny praiminisitra io avokoa ny firesak’ireo minisitra nandray fitenenana omaly, hany ka tsy dia hita taratra ny adihevitra tena demokratika, fa toa resaky ny moana sy marenina no nisy teny Tsimbazaza. Ny depiote rahateo moa maro no tsy hita popoka kanefa raharaham-pirenena no dinihina. Nandany fotoana nidoka ny governemanta ireo solombavambahoaka mpisolelaka ary nanakiana mafy ireo depiote hafa sahy nijoro sy tena nanara-maso ny asan’ny governemanta araka ny tondroin’ny lalàmpanorenana fa andraikitry ny solombavambahoaka. Mbola sarotsarotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka ary tena mbola mila ezaka be satria matetika mivaona amin’ny lalàna ny resaka.


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT