Politique

Governemanta Solonandrasana Lasa “gouvernement de dégât” ?


  • Alatsinainy 22 Janoary 2018

Gouvernement de combat” na koa hoe governemanta hiady mafy ho an’ny fampandrosoam-pirenena no anarana nampisalorana izao governemanta mitsangana ao anaty fitondrana Rajaonarimampianina izao.

 Mampametra-panontaniana anefa hoe tena niady tokoa ve sa nandrotika aza ka nanjary “gouvernement de dégât”? Mahagaga, taiza no nivoahan’ilay tarehimarika fa raha 92%-n’ny Malagasy no nahantra hatramin’ny taona 2013 dia efa 70% izany sisa ankehitriny. Ny tahirim-bola iraisampirenena sy ireo rafitra iraisampirenena indray ve izany no diso karoka raha nahita hoe nihemo-daharana isika ary anisan’ireo firenena 5 mahantra indrindra ? Sambany teo amin’ny tantaram-pirenena angamba izany hoe sady tsy vitan’ny efa taraiky fa mbola niandrasana herintaona vao voatendry ny praiminisitra voalohany ary 1 taona taorian’izay dia efa nosoloina indray. In-3 nanolo praiminisitra ny filoham-pirenena ankehitriny ary saika in-4 aza angamba saingy mahalala tsiambaratelo maro ilay farany ka aleo aloha tsy kitikitihina.

Be sinema

Efa diso hain’ny rehetra tsianjery ny mikasika ny raharaha Claudine ary dia efa zary tsy mahataitra intsony na dia niely indray aza ny feo tato ho ato hoe nitsangatsangana tao Ambalavao izy. Ny raharaha Antsankabary izay mahavoasaringotra ny mpitandro ny filaminana dia io mbola hafenimpenina hatramin’izao io kanefa dia trano sy aina Malagasy maro no very sy kila tao anatiny. Anisan’ny nahagaga ny rehetra koa ny raharaha fanapoizinana ny depioten’i Mananjary, Anthelme Ramparany, nifanandrify tamin’ny fotoana nampamaivay ny raharaha andramena miisa 30.000 voaondrana an-tsokosoko tany Singapour ny 19 desambra 2016. Raha manao dia mianoatra isika dia tsiahivina fa vao nandray fitondrana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny 25 janoary 2014 dia efa baomba niteraka ra mandriaka no nirefotra tetsy Anosy ny harivan’iny. Mbola tsaroan’ny maro koa angamba ny nitranga 6 volana taorian’izay. Nirongatra ny tsy fandriampahalemana fa teo ihany koa ireo loza maro nahatsiravina niseho tamin’ny lalam-pirenena toy ny nitranga tao Anjozorobe izay nahafatesana olona miisa 47 ny volana mey 2017. Ny mahagaga anefa dia tsy mbola voasoroka ihany ny toy izany fa dia mbola nisy boeing nisy rihana nanao taingimbe indray ka nahafatesana olona 20, naratra 103, teo amin’ny lalam-pirenena faha-4 mihazo an’Ankazobe ny 2 aogositra 2017, izany hoe 3 volana taty aoriana. Nirongatra ihany koa ny fakana an-keriny, izay nandasibatra teratany vahiny maro, toy izay nitranga vao tamin’ny herinandro. Santionany ihany ireo fa taiza ho aiza tao anatin’izao fitondrana izao izany no nipetrahan’ny tena filamatra hoe “Mitondra mira maminavina.” na ilay hoe “Gouverner c’est prevoir.” ?


J. Mirija     

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT