Politique

Governemanta Solonandrasana Efa manomana fifidianana


  • Sabotsy 16 Aprily 2016

namana akaikin’ny filoham-pirenena ary efa mpanolotsaina teknika azy fony izy minisitry ny vola nandritra ny tetezamita.

 

Efa nampoizina ihany ny zavatra hitranga. Governemanta hiady no nambaran’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly, governemanta kisarisarina fampihavanana sy fizarana seza eo amin’ny faritra ary nampidirina ireo akamakama no tafajoro.

Tanjona 2018

Ahitana manampahaizana ity governemanta vaovao ity ary nailika ireo minisitra nanondrana sy tsy nahavita ny asany araka ny tokony ho izy saingy raha atao indray mijery dia tsy maharesy lahatra ilay izy, hoy ny mpanara-baovao politika izay nanontaniana. Raha atao indray mitopi-maso dia nihazona ireo olon’ny HVM ny filoham-pienena sy ny praiminisitra ka narafitra araka ny maha mety azy ireo ny governemanta Narson Rafidimanana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fotodrafitrasa, Rivo Rakotovao miandraikitra ny fambolena sy ny fiompiana. Samy minisitra eo ambany fiahian’ny fiadidiana ny repoblika avy hatrany izy mirahalahy ireo, izay samy HVM mafana fo. Mbola voatazona ao anatin’ny ekipa ary mijanona amin’ny toerany ihany koa Rtoa Atallah Béatrice, minisitry ny raharaham-bahiny, Tahaka izany koa Atoa Rakotoarimanana Gervais minisitry ny vola sy ny tetibola, izay olona tena atokisan’ny filoha. Azo hanaporofoana ilay fifehezan’ny HVM sy ny fanomanana sahady ny fifidianana ny nihazonan’ny praiminisitra ny toeran’ny minisitry ny atitany sy ny fanapariaham-pahefana fa tsy nomena olona hafa. Ankoatr’izay moa dia efa olona mahatoky ho an’ny filoham-pirenena avokoa no minisitra voatendry amin’ireo toerana saropady tahaka ny toekarena sy ny teti-pivoarana, ny fanabeazam-pirenena, ny asa sy asam-panjakana, ny tontolo iainana sy ny ekôlôjia ary ny ala, ny serasera sy fifandraisana amin’ny andrim-panjakana ary ny sekretariam-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena. Tena mazava ny resaka eto fa hanomana ny frankôfônia amin’ny volana novambra ho avy izoa sy ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2018 ity governemanta ity izay mody nasiana sarintsarina fisokafana kely ihany.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT