Resabe omaly tontolo ny fanoloana praiminisitra sy fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta na dia milaza ho tsy mbola mahalala ny momba izany mihitsy aza ireo mpanolotsain’ny praiminisitra sasany nanontaniana.
Efa tena tsy azo ihodivirana, hoy ny loharanom-baovao iray ny fanesorana an’i Solonandrasana Mahafaly satria tsy tomombana tsara intsony ny fifandraisany amin’ny filoham-pirenena sy ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny HVM. Misy indray ny anarana mivoaka ka re fa mety ho ny jeneraly Herilanto Raveloharison, minisitry ny toekarena sy ny teti-pivoarana amin’izao fotoana no hotendren’ny filoham-pirenena ho praiminisitra. Anisan’ireo efa naharitra tao anaty governemanta izy satria efa hatramin’ny fitondrana tetezamita no minisitry ny tontolo iainana (2011), avy eo nisahana ny toekarena, minisitra vonjimaika nisahana ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo. Olona atokisan’ny fitondram-panjakana amin’ny fifampiresahana amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka ary tsara resaka amin’ireto farany ihany koa. Mivoaka ihany koa izao ny resaka fa hisy ny fanovana mpikambana eo anivon’ny governemanta ka mety ho minisitra 10 no hosoloina. Mety misy ny hampifamadihana andraikitra, fa ao ireo tena halana mihitsy. Nivoaka ihany koa omaly tolakandro ny resaka fa efa miomana amin’ny “passation” na famindram-pahefana ny eny Mahazoarivo eny, izay toa manaporofo fa hosoloina marina ny praiminisitra. Mafampana ny toe-draharaha eo amin’ny samy mpitondra ambony, ary miseho masoandro ny tsy fifampatokisana amin’izao taom-pifidianana izao. Mazava ny resaka fa manilika ireo rehetra tsy azony antoka fa tena hanohana azy 100% ny mpitondra HVM.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.