Akoho tsy naneno toy izay lanin’ny kary ! Izay no mahafintina ny tontolo ara-toekarena eto amintsika tao anatin’izany herintaona nijoroan’ity governemanta Jean Ravelonarivo ity.
Vao roa andro izay no velon-taraina ny filoha mpanorina ny orinasa malagasy “La Gastronomie Pizza” Randrianarivo Ambinintsoa fantatry ny maro amin’ny hoe Chef Mbinina noho ny hasarotan’ny fampiasam-bola eto Madagasikara. Izy no nanambara, fa azo antoka fa iombonan’ny mpandraharaha rehetra ny teniny. Ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ny COFACE (Compagnie Française d'Assurance pour le Commerce Extérieur) aza moa dia manasokajy an’i Madagasikara ho anisan’ireo firenena mampidi-doza ho an’ny fampiasam-bola tsy miankina. In-15 nivoaka an’i Madagasikara ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina tamin’iny taona 2015 iny, nanao izay ho afany hamerenana ny fitokisan’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpampiasa vola ho avy aty Madagasikara. Tsy nahavita namadika izany ho asa mivaingana anefa ny governemanta Ravelonarivo fa lany andro mikenonkenona. Zara fa tonga ny mampiasa vola, ny efa eto indray dia betsaka no velon-taraina amin’ny tsy fanoneran’ny fanjakana ny TVA tokony ho azony, ny hafa mandrahona ny hangoron’entana noho ny tsy fandriampahalemana mahazo laka sy ny korontan-dava ara-politika tsy voafehin’ny governemanta. Vokany, tsy mitsaha-mitombo ireo tsy an’asa eto an-toerana. Miteny ho azy ny tarehimarika, fa dia ny 87%-n’ny tanjona nofaritana tao anatin’ny 100 andro faharoan’ny governemanta ihany no tratra raha mba efa 94% izany tamin’ny andiany voalohany. Hanam-pahasahiana hilaza ve ny praiminisitra Ravelonarivo Jean anio eny Iavoloha fa tsy nahomby ka aleo mifampitsodrano, sa mbola hikiribiby hanohy ny asa ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.