Politique

Governemanta Ntsay “Toa manambany anay vehivavy”, hoy i Eliana Bezaza


  • Sabotsy 26 Janoary 2019

“Diso fanantenana tanteraka amin`ny firafitry ny governemanta vaovao aho satria tsy voahaja ny fifandanjan’ny isan`ny lahy sy ny vavy”, hoy i Eliana Bezaza, sekretera nasionalin`ny antoko PSD.

 

 

Niteny nazava tsara ny filoha vaovao fa hitovy ny isa kanefa rehefa tafajoro ny governemanta toa tsy tanteraka. Toa manambany anay vehivavy izany. Midika ve fa tsy misy vehivavy manampahaizana hanatanteraka ny governemanta teknisianina ? Notsindriany manokana ihany koa ny isan`ny minisitra avy amin`ny faritra. Minisitera 22 ve dia 6 fotsiny ny avy amin`ny faritra kanefa ny faritra no tena nodradradradraina fa tany no nampandany ny filoham-pirenena vaovao. Tena nandiso fanantenana, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy misy olona manampahaizana avy any amin`ny faritra ve mahavaita manatanteraka ny politikan` ny filoha vaovao ? Anisan`ireo kandidà filoham-pirenena namaly ny fanasana tamin`ny fifampiarahabana noho ny taom-baovao nataon`ny TIM.K25 i Eliana Bezaza. Tena nahavelom-bolo ny kabarin`ny filoha Ravalomanana Marc, hoy izy satria iaraha-mahalala fa nisy tolona niarahana, nisy fahitana nitovy hitondrana an`i Madagasikara mba hanatsarana ny hoaviny. Tsy izay no tanteraka anefa saingy izay ny ady demokratika. Niarin-doha avokoa ny rehetra amin`izao ary manana fanantenana satria ambony ny moraly tsy noho ny faharesena fa nandefitra manana ny rariny. Nomarihiny kosa fa nisy hetsika teraka taorian`ny fifidianana ka antenainy ho hetsika hiatrika ny fitondrana an`i Madagasikara amin`ny fanoherana izay mahasoa ny demokrasia. Ankoatra izay, mivonona hiatrika ny fifidianana rehetra isan`ambaratonga ny antoko PSD. Antenaina ny tsy hiverenan`ireo lesoka tamin`ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT