Feno herintaona i Andry Rajoelina no filoha, karazan-javatra sy fihetsiketsehana maro no nitranga tao anatin’izany.
Maro be tahaka izany koa ny fivoriana, fikaonan-doha, atrikasa, na teto an-toerana na tany ivelany. Nisinisy ihany ny fanovana na famindran-toerana ireo tompon’andraiki-panjakana ambony, fa raha ny governemanta aloha dia ilay mbola ao daholo ireo notendrena tamin’ny 24 janoary 2019. Raha toa ka nisy ampahany faran’izay kely nesorina.
Tsy maharaka hafainganam-pandeha ?
Efa mazava ny tian’ny filoha Rajoelina hahatongavana, manana ny IEM sy ny Velirano izy ary efa malaza manerana ny nosy io. Tsikaritra ho miadam-pandeha anefa ilay izy, fa tsy tahaka ny nahafantarana an’i Andry TGV hatrizay. Inona no antony ? Adihevitra be etsy sy eroa io. Misy io mamotsipotsitra fa ny mpiara-miasa amin’ny filoha no mahatonga azy tsy afaka mandeha mafy io, tsorina fa misy ny MAPAR tsy dia mankasitraka firy ny praiminisitra Ntsay Christian, ary na tamin’ny fanendrena azy taorian’ny tolon’ny depiote 73 aza efa henjankenjana ny fifandresen-dahhatra teo amin’ny samy mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina, raha ny fantatra. Etsy an-kilan’izay misy minisitra tena hita hoe misongadina be sy mihetsiketsika na be fihetsiketsehana. Fa misy kosa ireo tsy dia re feo firy, ao kosa ireo efa manomboka mankaleo ny olona satria olana lava no misy ao amin’ny departemantany fa tsy mba misy vahaolana. Miampy izay miavona loatra rehefa miresaka ary indraindray aza manambony tena mihitsy. Inona no mbola nitazonana an’i Ntsay Christian ho praiminisitra ? Azon’ny filoham-pirenena antoka ve fa tena mahavita azy marina ireo minisitra rehetra ireo satria naverina tamin’ny toerany taorian’ny tomban’ezaka enim-bolana lasa izay ? Ary na kandida depiote lany aza dia mbola naverina ho minisitra ihany ? Sa fifanarahana politika tamin’ireo mpanohana nandritra ny fifidianana filoha ? Efa niteny i Andry Rajoelina fa niomana sy nanoman-tena izy matoa tsy be resaka nandritra ny fitondrana HVM, lojika be fa efa fantany ihany koa hoe iza no ekipa hiasa miaraka aminy. Ireo anaty governemanta ireo ve ry zareo sa mbola ho avy ? Ahoana ny resaka famatsiam-bola satria goavana ny vina sy ny fandaharanasa ? Manana olona kinga sy matsilo saina afaka mifampiraharaha amin’ny mpamatsy vola ary inoan’ireto farany teny tokoa ve ity fitondrana ity ? Heverina fa mety hisy ny fanapahan-kevitra lehibe amin’ity herinandro ity noho ny tombana tsy maintsy hatao amin’ireo mpikamban’ny governemanta. Amin’ny 31 janoary ho avy izao ihany koa no hifarana ny fandraisana ny antontan-taratasy (CV) ho an’ireo olona vontom-pahalalana (cerveaux) miisa 1500 tadiavin’ny fanjakana. Matoa aloha mitady an’ireo dia mazava fa tsy mahafa-po sy tsy araka ny nantenaina ny vokatra avy amin’ireo efa eo. Ny zavatra somary hafahafa ao anatin’izy io, dia tsy tafiditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2020 ny sora-bola hoenti-manakarama ireo manampahaizana horaisin’ny fanjakana ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.