Araka ny efa nampahafantarina tamin’ny 25 novambra lasa teo dia amin’ity volana desambra ity no hanombanana ny asan’ny minisitra ao amin’ny departemanta nanendrena azy ny filoham-pirenena.
Hoesorina izay tsy nahavita an-tsakany sy an-davany ny asa nampandraiketany azy. Minisitera roa izao no tantanin’ny tomponandraikitra mpisolo toerana : minisiteran’ny angovo sy rano ary akoranafo sy ny minisiteran’ny raharaham-bahiny. Andrasana izay ho mason-tsivana entina hitsarana ny asan’ny mpikambana ao amin’ny governemanta raha teknika na koa politika. Raha ny lafiny teknika aloha dia maro ireo minisitra no miala amin`ny toerana satria tsy nisy minisitera nahavita nametraka ilay hafainganam-pandehan`i lamasinina. Hatramin`izao, mbola misy ireo minisitera mbola mizatra raharaha. Etsy an-kilany, raha politika indray ny mason-tsivana dia azo antoka aloha fa misy amin`izy ireo no tsy ho hita tabilao amin`ny taona 2020. Anisan'ny fototry ny olana tsy mampirindra ny asan'ny fanjakana mantsy io tsy miray saina tsara ny ao anaty governemanta. Farafahakeliny efa mivaky telo io governemanta io. Misy minisitra tena ekipan`ny filoha Rajoelina, misy an'ny antoko MMM. Eo koa ny ekipan'ny praiminisitra Ntsay. Lasa ohatry ny mbola fiaraha-mitantan'ny ankolafy 3 sa 4 tamin'ny tetezamita. Tsy azo ihodivirana ato ho ato ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.