Politique

Governemanta Ntsay Christian Tsy mahasolo tena ny faritra 22, hoy ny filohan’ny Za Gasy


  • Talata 29 Janoary 2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny filohan’ny fikambanana Za Gasy, Ratiharison Jean Navandahy taorian’ny nijoroan’ny governemanta Ntsay Christian.

 

 

 

 Nambarany fa nisy ihany ny fomba fijery nitovizan’ny roa tonta  saingy kely. Anisan’ny nankasitrahany manokana ny fametrahana ny fizakantenan’ny faritra amin’ny alalan’ny fametrahana ireo governora amin’ny faritra 23. Ny hitany lesoka kosa ary nanaovany fanamarihana kely dia tsy mahasolotena ny faritra 22 ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Misy amin’ireo faritra aza, hoy izy no nomena tombony kokoa dia ny eto Antananarivo. Manantena ity filohan’ny fikambanana Za Gasy ity fa tena hanao be tokoa araka ny diplaomany ireto mpikambana vaovao eo anivon’ny governemanta ireto. Mikasika ilay fametrahan’ny filoham-pirenena fifanarahana amin’izy 22 mianadahy mianaka minisitra dia nambarany fa ny filoham-pirenena mihitsy no tokony hanao izany amin’ny vahoaka amin’ny alalan’ny velirano  nataony fa tsy ankinina amin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Mitohy hatrany ny asa entina hanasoavana ny firenena ho an’ny fikambanana Za Gasy  tarihiny. Hitohy hatrany ny asa fanasoavam-bahoaka izay niantsorohany hatramin’izay ary  vonona izy ireo handray anjara amin’ny fifidianana rehetra misy eto amin’ny tany sy ny firenena.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT