Voahozongozona tamin` ny sezany taorian` ny fisian` ny resaka “Bonbon” omena ireo mpianatra rehefa avy misotro tambavy CVO mitentina 8 miliara ariary ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa (MENETEP),
Andriamanana Josoa Iarintsambatra Rijasoa ka niafara tamin` ny fanesorana azy araka ny didim-panjakana lah 2020-597 tamin` ny 04 jona 2020. Raha tsiahivina, voaantso hanatevina laharana tao amin` ny governemanta Ntsay Chrisitian izy tamin` ny 29 janoary 2020. Araka izany, efa-bolana ihany no nitantanany ity ministera ity. Ny ministry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika, Elia Beatrice Assoumacou, no hisahana ny fitantanana vonjimaika ny MENETEP mandrapahatonga izay hisolo an` i Andriamanana Josoa Iarintsambatra Rijasoa. Niteraka resa-be teo anivon` ny fiarahamonina ary nitobaka ny fanakianana teny amin` ny tambajotra serasera. Na ireo solombavambahoaka aza dia tsy nisoroka nanameloka azy tamin` ity fandaniana mihaopampana ity. Nandritra ny herinandro moa dia niaro-tena ity minsitra teo aloha ity ka nanambara fa lainga ny filazana ny hoe 8 miliara no vidin’ny “bonbon” ireo. Nambarany koa izy tamin’izany fa nisy tokoa ny toromarika avy any ambony hividy vatomamy hozaraina amin’ny mpianatra manerana ny nosy. Tsy tanteraka moa ny fihaonan` ity ministra teo aloha ity tamin` ireo depiote omaly, izay niandry fatratra azy noho ity raharaha ity. Marihana fa ny sehatry ny fanabeazana no tena anisan` no manana olana betsaka indrindra: mpampianatra sahirana, fotodrafitrasa tsizarizary… Na ny fahaizan` ny zaza Malagasy dia miha miiba hatrany. Raha mbola atao ankilabao ny fampianarana eto Madagasikara dia tsy hisy velively ny fampandrosoana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.