Mihazakazaka ny fandehan’ny raharaham-pirenena. Mitohy ny amboletran’ny FAT.
Taorian’ny fandrahonana hanapaka karama sy fandroahana ireo sendikalista manao fitakiana nataon-dRajoelina tany Mahajanga ny alatsinainy 16 jolay teo, mantsy dia nisy indray koa omaly alarobia 18 jolay ny fampitam-baovao laharana faha-131-P.T/SGP/COM. naparitaky ny tompon’andraikitra miadidy ny seraseran’ny fiadidiana ny tetezamita, taorian’ny filankevitry ny minisitra natao teny Iavoloha omaly tolakandro fa hoe : taorian’ny adihevitra dia noraisina ny fanapahan-kevitra ka dia mihantona amin’ny asany avy Rtoa Ihanta Randriamandranto (Minisitry ny fiompiana), Rtoa Ruffine Tsiranana (Minisitry ny fanapariaham-pahefana), Rtoa Olga Ramalason (Minisitry ny varotra), Atoa Roland Ravatomanga (Minisitry ny fambolena) ary Atoa Pierrot Botozaza (Praiminisitra lefitra misahana ny toekarena sy ny indostria) mandra-piverin’izy ireo miatrika sy mandray anjara indray amin’ny filankevitry ny governemanta sy filankevitry ny minisitra. Araka ireo anarana ireo dia ireo minisitra avy amin’ny ankolafy Ravalomanana no nokendrena ka nanaovana ity fanambarana ity. Tsy nampiraika ireo minisitra voakasika anefa raha io fanambarana io. “Vao mainka manamafy ny fanapahan-kevitry nataonay nisintaka tsy nandray anjara amin’ny fivoriana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita, sy Filankevitra ambonin’ny tetezamita ary amin’ny filankevitry ny governemanta sy filankevitry ny minisitra izany”, hoy ny Me Hanitra Razafimanantsoa. Na izany aza dia nanamarika ity farany fa “tsy ao anaty sori-dalana izany, ary tsy fanao n’aiza n’aiza ny mampihantona minisitra amin’ny asany, fa na manala azy tanteraka tsy ho mpikambana ao anaty governemanta no atao na mametraka mpisolo toerana vonjimaika. Amin’ity tranga faharoa ity anefa dia noho ny antony mazava, toy ny hoe na tsy eto an-toerana fa lasa namita iraka any ivelany, izay fotoana voafetra mazava izany, na tratry ny tsy fahasalamana no anendrena mpitolo toerana. Eto an-toerana, miditra birao ary manao ny asany andavanandro ireo minisitra Zanak’i Dada ireo fa kosa mitaky ny hampiharana ara-bakiteny ny sori-dalana, natao sonia tamin’ny 17 septambra 2011, indrindra ny andininy faha-16-17-18 ary faha-20”.
Tsy voasoratra
Fa nanaitra kosa ny fanazavan’ny minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, Tabera Randriamanantsoa, izay anisan’ireo niatrika io filankevitry ny minisitra teny Iavoloha omaly io. Hentitra ny filazany fa “tsy voasoratra tao anatin’ny “ordre du jour” (lahadinika) efa nozaraina mialoha taminay izany fampihantonana minisitra amin’ny asany izany”. Ny fampitam-baovao nataon’ny Sekretera jeneralin’ny governemanta, Ralala Roger, omaly tamin’ny 10 ora sy 36 minitra, mampahafantatra ireo minisitra rehetra ny lahadinika hivoriana mandritra ny filankevitry ny minisitra natao teny Iavoloha ny tolakandro rahateo koa dia tsy mirakitra velively izany fandraisana fepetra mikasika ireo minisitra tsy mivory izany. “Tsy maintsy nisy adihevitra natao, ary azoko antoka fa tsy lany tao izany raha tao anaty lahadinika. Koa gaga aho hoe inona no amoahana izany anaty fampitam-baovao”, hoy i Tabera Randriamanantsoa. Nanipika mazava ny minisitra Tabera fa efa nitsipaka ny fikasan’ny ekipan-dRajoelina hametraka minisitra mpisolo toerana ireo minisitra tsy mamonjy fivoriana ny praiminisitra Beriziky, ka tsy ho izy mihitsy no hanaiky fanapahan-kevitra hampihantona azy ireo amin’ny asany, hoy hatrany i Tabera Randriamanantsoa, fa vahaolana hafa no narosony.
“Vao mainka mibaribary izao fa dia fitondrana taritokana no misy eto”, hoy i Mamy Rakotoarivelo, tamin’ny resaka an-tariby nifanaovana taminy. Any Frantsa ity filohan’ny Kongresin’ny tetezamita sady lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana ity amin’izao fotoana. Fanazavana teknika kosa no nentin’i Andriamihanta Fanomezantsoa Benjamin, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, fa tsy mitombina ny fanapahan-kevitra mampihantona amin’ny asany ireo minisitra dimy ireo, satria na tsy nivory aza izy ireo dia nisy hatrany didim-panjakana noraisina nandritra ny filankevitry governemanta sy minisitra, toy ny fampiatoana ny fanondranana omby any ivelany, ny fanaovana “réquisition” nanerena ireo sendikalista manao fitakiana hiverina hiasa, ny fanendrena mpiasa ambony toy ny ambasadaoro … Aminy dia mandeha ila ihany koa ny fandraisana fanapahan-kevitra satria, misy zanak’i Dada tsy mivory koa anie eny Tsimbazaza sy ao Anosikely, ka maninona no tsy nahantona tanteraka ihany koa ?
Miandry ny rehetra ny hivoahan’ny didim-panjakana mikasika io fanapahan-kevitra omaly io, satria dia zon’ireo minisitra zanak’i Dada tanteraka ny mitondra izany any amin’ny Filankevi-panjakana, ary dia hisy ho afa-baraka eo, ary dia mety ho vao mainka ho sarotra ny raharaha. Samy manontany tena koa ny rehetra hoe hanao ahoana ny fampiharana izany fampiantoana izany ? Hosakanana tsy hahazo hiditra birao ve ireo minisitra ireo, nefa ny Dr Randriamiandrisoa Joseph aza efa telo volana izao no nanesorana azy tsy ho minisitry ny tontolo iainana sy ny ala nefa mbola miditra birao ? Hesorina amin-dry zareo ireo ve ny mpiambina sy ny fiara ampiasainy ? Hotapahana ve ny karamany ?
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.