Politique

Governemanta Misy minisitra tena ratsy toerana


  • Talata 08 Oktobra 2019

Governemanta tsy mba miray hina ny mpikambana ao anatiny rehefa misy ny tsy fetezana eo amin’ny ministera iray. Hita taratra izany tamin’ity raharaha bakalorea izay nahasaringotra ny ministry ny fampianarana ambony.

 

 

Tsy mba nisy nitsangana nanohana azy ny ministra sasany tamin’ny ankapobeny, fa dia navela tao anaty ny tsy fanomezam-baovao sy fitoniana ireo mpianatra. Sanatria ve misy lonilony ao ka mety zaran’ny sasany aza voafingana ny namana? Velon-taraina ireo ray aman-dreny noho ny nataon’ny fanjakana satria toa tsy nomena lanja mihitsy ary toa odian-tsy hita ny olana, izay olam-pirenena anefa. Ny minisitry ny serasera no nasaina niteny tamin’ny onjam-peo ary dia mbola nasesiny tao indray fa fanakorontana no nitranga fa tsy hoe tsy fahaizan-draharaha. Ahiana ho ambadika politika avo lenta io raharaha Bakalorea io. Na izany aza, tokony hametra-pialana ny minisitra Blanche Nirina Richard na inona na inona fialany andraikitra, hoy ny fanehoan-kevitra samihafa. Olona any anaty rafitra sy nanana andraikitra aloha voalohany no afaka nanao ireny, izany hoe tsy mahafehy ny minisiterany sy ny andraikitra iantsoroany ny minisitra tompon’andraikitra, kanefa ny kapa ranjo mety mbola misoko ihany. Anisan'ny veliranon’ny filoha ny hoe izay minisitra tsy mahomby halana. Sa don-tandroka fotsiny izany ? Tsy ny eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana ambony ihany fa misy ihany koa ny loharanom-baovao milaza fa toa tsy tena mahafehy ny Minisiterany ihany koa ny minisitra Volahaingo Marie Thérese izay misahana ny fanabeazam-pirenena sy fampianarana teknika ary ny fanofanana arak’asa. Tompon’andraikitra ambony iray sy Ramatoa iray hafa ao no tena tompon’ny familiana ny minisitera, hoy ny loharanom-baovao iray. Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina izay tsy nahafaly ny mpiasa ao amin’io ministera io, ka asa raha mba fantatr’i Ramatoa minisitra izany na tsia. Hafahafa ny raharaha! Matoa maro ny olana miseho, dia misy mpitantana tsy mahavaha olana ao. Sa tena mahavita azy sy araka ny andrasan’ny filoha sy ny vahoaka ny asa ataon’ireo mpikamban’ny governemanta? Misy ny toa manao afera ka ny olona ao anatin’ny antoko ihany aza no manontsana sy manao ampamoaka momba azy, ary maro ireo olona sosotra sy tezitra any anaty rafim-panjakana any no efa manomboka miresaka amin’izao fotoana.Tranga izay toa manaporofo fa tsy nisy herintaona nijoroana akory ny fitondrana dia efa misambadidaka…tsy mila fanazavana lava be fa porofo iray efa tena goavana izao savorovoro momba ny fanadinana bakalorea izao sy ny fimenomenomana miha mahery vaika manohitra ny tetikasa Tanamasoandro.

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT