Politique

Governemanta Misy minisitra eny Anosy hoesorina ?


  • Alakamisy 24 Aogositra 2017

Tsy nisy tahaka ny mahazatra ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia. Nangina ny teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ary tsy naharay tatitra anaty mailaka ny mpanao gazety.

  Rehefa natao ny fanamarinam-baovao dia fantatra fa tsy nisy tokoa ny filankevitry ny minisitra ary nambara fa nanatrika ny fandevenana ny rain’i Hugues Ratsiferana, mpanolotsaina eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika sy olona tena akaiky azy ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Rehefa tena nandavaka nikaroka vaovao anefa ny mpanao gazety dia nisy ihany ny resaka nivoaka fa misy antony hafa mihitsy ny tsy nanatanterahana io filankevitry ny minisitra io. Efa ho avy tsy ho ela ny fanovana indray ny mpikambana eo anivon’ny governemanta, hoy ny loharanom-baovao iray avy ao anatin’ny lapam-panjakana. Amin’ity herinandro ity na anio alakamisy no mety hitrangan’izany, raha tsy hoe nihemotra amin’ny fanapahan-keviny indray ny filoham-pirenena tahaka ny efa nitranga teo aloha kely teo. Tsy maintsy hisy ny minisitra hoesorina na hafindra toerana farafaharatsiny ary efa voatondro mihitsy fa misy minisitera eny Anosy no tsy maintsy hokitihina. Tsy mbola fantatra ny anarana saingy misimisy ihany ny minisitra manana ny biraony eny tahaka an’i Rivo Rakotovao, Narson Rafidimanana, Benjamina Ramarcel Ramanantsoa, Herilanto Raveloharison, Atallah Béatrice, Paul Rabary, Jean Jacques Andrianisa. Roa herinandro mahery kely teo no efa nalaza io fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta io saingy tsy tanteraka noho ny antony maro samihafa, sy noho ny kajikajy politika avo lenta. Hatreto aloha, raha araka ny tsiliantsofina re, tsy mbola voakitika ingahy praiminisitra fa amin’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny parlemanta roa tonta vao mety hihozongozona ny sezany. Efa nampitandrina sy nilaza ny filoha Rajaonarimampianina fa tokony hahatsapa tena ka hametra-pialàna ireo tompon’andraikitra tsy nahavita ny asany. Tsy kolontsain’ny manampahefana Malagasy moa io fametraham-pialana io ka ho avy ny « cyclone », araka ny fomba fiteny.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT