Mananontanona indray ny fanovana governemanta. Ny volana desambra izao no mety hanatanterahana azy io raha ny loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana.
Anisan’ny ratsy toerana sy mety handao ny sezany ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier. Miezaka manamafy orina ny sezany ny HVM, ka fehezina mafy ireo andrim-panjakana lehibe hanamorana ny kajikajy politika. Natomboka tamin’ny antenimierandoholona tamin’ny fanalana an’i Honoré Rakotomanana izany. Betsaka ny resaka nandeha nialoha iny, ary nambara sy nalamindamina tamin’ny hoe tsaho, saingy ireny tanteraka ireny taty aoriana. Efa am-bivitra ny hitazonan’i Jean Max Rakotomamonjy ny toerana maha filohan’ny antenimieram-pirenena azy eny Tsimbazaza fa hosoloina tena olon’ny HVM. Izy aza efa mampionon-tena amin’ny hoe “toerana ifandimbiasana no eto”. Ho tonga hatrany amin’ny governemanta io raharaha io. Ny rafi-panjakana matanjaka no hanaovana an’io. Efa ireny niaraha-nahita ireny ny teo anivon’ny fitsarana tamin’ny alalan’ny fanesorana ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambony, Jacques Randrianasolo, izay tsikaritra ho tsara fifandraisana tamin’ny Sendikan’ny mpitsara (SMM) tamin’ireny fifanolanana teo amin’ny mpitondra ambony sy ny SMM ireny. Ny ao anaty governemanta kosa efa mijery tsimoramora ny HVM tena mpiady sy azo antoka tsara amin’ny kajy rehetra hampandaniana ny kandidam-panjakana amin’ny 2018. Tsy fomba fiasa na fahaiza-manao io fa politika maloto mihitsy, toy ny famotehana ny mpifanandrina. Re fa tsara toerana sy mety tsy hailika ny minisitry ny Indostria, Tazafy Armand izay nanakatona ny Tiko AAA sady tsara fifandraisana amin’ny karana. Manjavozavo ny mikasika an-dry Roland Ratsiraka, izay toa efa namafa ny MTS ka mety efa HVM tanteraka mba hifikirana amin’ny seza. Olona manana hambom-po politika ihany koa anefa ireny ary efa nirotsaka hofidiana ho filoha in-droa, ka heverina fa mety hisy ny fanintelony, araka ny fitenim-bazaha. Ratsiratsy toerana kosa ny minisitry ny varotra sy fanjifana noho ity resaka tsy fahafehezana ny vidim-bary ity. Ao koa ny minisitry ny fahasalamana Mamy Lalatiana Andriamanarivo noho ny raharaha pesta, izay tsy voafehin’ny fanjakana. Raha misy anefa ny fanovana, tsy hikaro-bahaolana ho an’ny firenena no tanjon’ny HVM fa ho vono afo amin’ny fimenomenon’ny vahoaka sy hanamafisan-toerana amin’ny 2018 ihany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.