Politique

Governemanta Minisitra maro hangoron’entana ?


  • Alakamisy 09 Janoary 2020

Ho feno tanteraka amin’ny faramparan’ity volana janoary ity ny enim-bolana roa hahafana manao tombana ny governemanta tamin’ny asa vitany satria nisy ilay “contrat-programme” nambaran’ny filoha.

 

Mena ny tondro ho an’ny fanjakana Rajoelina tamin’ny ankampobeny. Toa maro amin’ny mpikamban’ny governemanta no handao ny sezany, raha ny fahitana azy. Fomba fiasa tsikaritra anefa ny hoe: olona ambony tsy nahomby tamin’ny andraikiny, dia afindra amina toerana ambony hafa. Na izany aza, dia  isan’ny fomba iray hoenti-manalefaka ny maripana politika sy ny tsy fahatafavoahana baolina ny fanesorana mpikamban’ny governemanta. Manomboka misy resaka mivoaka indray ankehitriny fa mety hotendrena ho Praiminisitra ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidian’ny Repoblika tamin’ny tetezamita Atoa Haja Resampa. Efa tamin’ny andron’i Hery Rajaonarimampianina no nikasan’ny MAPAR azy hapetraka ho Praiminisitra, saingy nolavin’ity farany. Misy amin’ireo minisitra ao anatin’ny Governemanta anefa, toa akaiky sy naman’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Toa manomboka mifandetika ny samy antoko ao anaty governemanta, ka isan’ny toa hanangonana rihatra amin’ny raharaha fanakepohana ny vola solona “panier garni” ny minisitry ny fanabezana avy amin’ny Antoko MMM tarihin’ii Hajo Andrianainarivelo, na dia minisitera maro aza no nahitana tsy fanjariana. Ankoatra izay, maro ny zavatra nambara fa hotanterahina sy hatomboka tamin’iny taona 2019 iny, saingy ny fampanantenana aloha no nipoapoaka, fa ny asa toa tsy tena nisy. Nisy ny voasoratra tao anatin’ny Fandaharan’asa ankampoben’ny fanjakana (PGE) natolotry ny Praiminisitra. Nosoratana, ohatra, fa toeram-pitsaboana CSB 13 no hatsangana tamin’ny taona 2019, EPP vaovao 30 ahitana ahitana efitra 12 avy, CEG vaovao 8 ahitana efitrano 24, tanàna fialan-tsasatra (village de vacances) hatsangana ao Ampefy amina velaran-tany 9ha alohan’ny volana desambra 2019,… Mena ny tondro ho an’ny fanjakana Rajoelina tamin’iny 2019 iny: fandriampahalemana, sosialim-bahoaka, toekarena,… Tetsy ankilany, dia maro ny olana niseho: krizin-tsolika, fanadinam-panjakana nikorontana, fandriampahalemana tsy voafehy, sosialim-bahoaka tsy voajery, ny fampianarana mikatso na ny ambaratonga fototra na ny fampianarana ambony,…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT