Miandry fa Gasy ! Ataony mangitakita eo. Tototry ny antso ny an-telefaonina ny mpanao gazety hatry ny alarobia hariva ny amin’ny hoe efa nivoaka ve ny lisitr’ireo Senatera miisa 21 tendren’ny filohan’ny Repoblika ?
Nandeha mantsy ny feo hatramin’ny herinandro lasa iny fa amin’ity herinandro ity no hanendrena azy 21 ireo, hanampy azy 42 voafidy, ka hameno ho 63 ireo mpikambana voalohany ao amin’ny Antenimierandoholona ao anatin’izao Repoblika faha-4 izao. Nanamafy izany rahateo ny filohan’ny Repoblika tamin’ny alatsinainy, raha nitokana zava-bita ho an’ny vehivavy teny Tsimbazaza. Betsaka ireo nanombana fa ny alarobia, andro fanaovana filankevitry ny minisitra no hivoahan’ny lisitra. Tsy nisy anefa, fa mbola nataon’ny filoha mangitakitaka avokoa ny rehetra. Tsy nisy ihany koa ny omaly. Ho anio ary ve ? Ny azo antoka dia hivoaka mialoha ny hihazoany an’i Afrika Atsimo hamonjy ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina ny anaran’izy 21. Betsaka ny tombantombana mandeha, toy ny hoe hisy minisitra efatra na dimy anisan’ireo hotendrena Senatera. Voatonontonona ao anatin’izany ny anaran’ny minisitry ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy Maharante Jean de Dieu, ny minisitry ny filazam-baovao, ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana Razafindambo Andrianjato Vonison, ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Dr Andriamosarisoa Jean Anicet, ny minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny solika sy harena ankibon’ny tany Lalaharisaina Joëli Valérien ary ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice. Ity farany koa anefa be mpiresaka fa mety hotendrena praiminisitra. Re ihany koa ny anaran’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao, saingy toa metimety amin’ity farany ny mijanona ao anaty governemanta raha ny loharanom-baovao. Ato anatin’ny 24 ora anefa no hamantarana ny lisitra farany, satria re fa maro no misisika, manao ny fomba rehefa hahatongavana ao Anosikely, na dia maherin’ny telon-jato aza ireo nametraka fangatahana maniry ho Senatera.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.