Ho feno herintaona katroka amin’ny 24 janoary izao ny nitsanganan’ny governemanta voalohany tato anatin’ny fanjakana Rajoelina.
Nambaran’ny filoha tany amin’ny fitsanganan’ny governemanta fa misy ny “contrat-programme”, ka hotombanana isaky ny 6 volana ireo mpikamban’ny governemanta. Ny minisitry ny fampianarana ambony Rtoa Rejo Felicité Fienena ihany no hany minisitra nesorina nasolo an-dRtoa Blanche Nirina Richard tamin’ny 24 jolay 2019. Tsy maintsy niala tao anatin’ny governemanta ny minisitry ny raharaham-bahiny Naina Andriantsitohaina, rehefa nirotsaka ben’ny tanàna, ka ny praiminisitra no nisolo azy vonjimaika. Anisan’ny minisitera iankinan’ny fiandrianam-pirenena io, saingy tsy nisy fanendrena hatramin’izao. Nesorina ny minisitry ny angovo Vonjy Andriamanga ny 29 oktobra rehefa nisy olana goavana ny famatsian-tsolika teto Madagasikara, ka ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Christian Ramarolahy no miantsoroka ny toerany. Tsy maintsy ho avy ny tombana ato ho ato, saingy heverina fa aorian’ny alahady 19 janoary faherintaona katroka nandraisan’ny filoha fahefana hisian’ny fambolen-kazo faobe no ho avy ny fanovana governemanta. Mbola hetsehina avokoa mantsy ny minisitera rehetra amin’io fambolen-kazo io. Raha ny fikaroham-baovao, dia mety 8 amin’ireo minisitra ankehitriny no hotazonina amin’ny toerany. Handrasana izay tena hiseho. Raha izay, mazava ary miaiky ny fanjakana fa ratsy ny vokatra ary “negatifs” na miiba ny tombana. Ireo minisitera isehoana olana amin’izao fotoana dia mety handao ny toerany avokoa. Ny fanabeazam-pirenena, ohatra, dia efa notsongaina manokana tao anatin’ny fanambaran’ny governemanta tamin’ny mpitondra teniny dia ny minisitra Lalatiana Rakotondrazafy fa hanaovan’ny IGE (Inspection Générale de l’Etat) fitsirihana. Misy minisitra re siosio fa efa mitsiriritra mafy ity toeran’ny minisitry ny fanabezam-pirenena ity. Andrasana izay hiseho.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.