Tontosa omaly teny amin’ny Lapam-panjakana teny Iavoloha ny fanovana governemanta.
Nambaran’ny Filoha Rajoelina, fa nomena vahana ny fifandanjana isam-paritra sy ny miralenta, 40% na 8 ny minisitra vehivavy. Tanora latsaky ny 40 taona ny ankamaroany. 22 ny minisitera miampy minisitra lefitra iray sy sekreteram-panjakana iray. Naverina ary hapetraka ho minisitera iray ny minisiteran’ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana. Najoro ny minisitra lefitra miantsoroka ny fananganana tanàna vaovao. Noho izany dia miisa 24 ny governemanta hotarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ka miisa 10 ireo endrika vaovao, izay saika teknisianina sy manampahaizana ambony tanora vao erotrerony ny ankamaroany. Tsy tafaverina intsony kosa ny minisitry ny Filaminam-bahoaka teo aloha Atoa Rafanomezantsoa Roger, Fitsarana Atoa Jacques Randrianasolo, Fanabeazana Rtoa Volahaingo Marie thérèse, Fampianarana ambony Blanche Richard, Tontolo iainana Atoa Georget Alexandre ary ny Fahasalamana Pr Julio Rakotonirina.
Ireo tafaverina amin’ny toerany
|
Praiminisitra |
Ntsay Christian |
|
Fiarovam-pirenena |
Rakotonirina Léon Richard |
|
Atitany sy ny Fanapariaham-pahefàna |
Razafimahefa Tianarivelo |
|
Toekarena sy vola |
Richard Randriamandrato |
|
Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy |
Andrianainarivelo Hajo |
|
Angovo sy ny Akoranafo |
Ramarolahy Christian |
|
Fitaterana sy ny Fizahantany ary ny Famantarana ny Toetr’andro |
Randriamandranto Joël |
|
Harena ankibon’ny tany |
Ravokatra Fidiniavo |
|
Mponina sy ny Fiahiana ara-tsôsialy |
Naharimamy Irmah |
|
Indostria sy ny varotra |
Rakotomalala Lantosoa |
|
Asam-panjakàna sy ny Lalàna Sôsialy |
Ramampy Gisèle |
|
Tanora sy ny fanatanjahan-tena |
Tinoka Roberto Michael |
|
Serasera sy ny Kolotsaina |
Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana |
|
Fambolena sy ny fiompiana |
Ranarivelo Fanomezantsoa |
|
Zandarimariam-pirenena |
Ravalomanana Richard |
Ireo mpikambana vaovao
|
Raharaham-bahiny |
Dr Tehindrazanarivelo Jacoba Liva |
|
Fitsarana |
Jhonny Richard Andriamahefarivo |
|
Filaminam-bahoaka |
Randrianarison Fanomezantsoa Rodellys |
|
Fanabeazam-pirenena |
Andriamanana Josoa Sambatra |
|
Fampianarana ambony |
Assomacou Elia Béatrice |
|
Tontolo iainana sy ny fampandrosoana |
Raharinirina Baomiavotse Vahinala |
|
Paositra sy ny fifandraisan-davitra |
Ramaherijaona Andriamanohisoa |
|
Rano sy fahadiovana ary ny fidiovana |
Rakotovelomanantsoa Voahary |
|
Fahasalamam-bahoaka |
Ahmad Ahmad |
|
Minisitra lefitra misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram- ponenana |
Zasy Angelo |
Takiana ny vokatra haingana miantraika amin’ny vahoaka
Nanokatra varavarana sy nanao antso avo ho an’ny zanaky ny firenena na eto an-toerana na avy any ivelany manana finiavana hoenti-manompo ny firenena ny fitondram-panjakana, hoy i Andry Rajoelina omaly. Hita taratra na ny avy any avaratra atsimo, andrefana, antsinanana, afovoantany, eny fa na ny avy any ampitan-dranomasina aza, hoy ny filoham-pirenena. Maro no nanana andraikitra ambony tany ampita fa ankehitriny dia nantsoin’ny firenena. Ampy izay ary tsy izao intsony ny hoe mila mahafantatra olona na mandoa vola vao tonga minisitra, hoy izy. Mila haingam-piasa, mitondra vokatra mivantana, azo refesina, ary miantefa mivantana amin’ny fiainam-bahoaka, fahaiza-mitantana fahaiza-miasa, lavitry ny koliloly,... hoy ny filoha. Taratry ny fisokafana sy ny fahaiza-manaon’ny zanaka Malagasy io firafitry ny governemanta io. Miandry antsika ny Malagasy ary miandrandra fanovana hita amin’ny fiainany, hoy izy, izay nirary soa ireo mpikamban’ny governemanta.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.