Niova omaly hariva ny ampahany tamin’ny mpikamban’ny governemanta. Minisitra miisa 3 no nalana tanteraka tamin’ny asany, dia ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice nosoloina an’i Henry Rabary-Njaka.
Efa nisahana ny toeran’ny tale kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika ny tenany saingy nijanona teo akaikin’ny filoham-pirenena hatrany. Nalana ihany koa ny minisitry ny Fitsarana Charles Andriamiseza, ka nasolo ny toerany Rasolo Elise Alexandrine, filohan’ny mpitsara mpandrava didy teo anivon’ny Fitsarana Tampony. Nesorina ihany koa ny minisi-panjakana misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana Narson Rafidimanana, ka ny minisitry fitaterana sy ny famantarana toetr’andro Benjamina Ramarcel Ramanantsoa no nisolo azy. Nasolo azy tao amin’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana toetr’andro kosa i Beboarimisa Ralava, izay efa minisitry ny tontolo iainana tamin’ny andron’ny praiminisitra teo aloha Jean Ravelonarivo. Nampifamadihana kosa ny toeran’ny minisitry ny varotra sy ny fanjifana Tazafy Armand sy ny indostria Nourdine Chabani.
Tsy voakitika ny praiminisitra
Miandry ny fivorian’ny parlemantera indray vao mety hiverina ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra Mahafaly Solondrasana Olivier, raha mbola misy ny fiheverana ny hanesorana azy. Anisan’ny nahazo kiana be indrindra tao anatin’ny governemanta izy noho ny kolikoly, fanjakazakana … saingy mbola eo hatrany. Nihenahena teo ny filoha ny faraheriny dia ny minisitra no nokitihina sy nesorina ny sasany. Tsy nampoizin’ny maro ny nanendrena an’i Henry Rabary-Njaka, izay tsiahivina fa efa nalaza tamin’ny tsy fahombiazany tamin’ny naha filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar azy. Ny resaka kajikajy politika tany anaty lapa tamin’ireny herisetra sy antsojain’ny HVM ireny sisa nahenoana siosio ny anarany. Re fa mety hotendrena ho Masoivohon’i Madagasikara any Frantsa i Atallah Béatrice. Andrasana izay mety hanaovan’ny HVM an’i Narson Rafidimanana, ansan’ny nanjakazaka tao anatin’ny fitondrana, ary voatonona tao anaty fanaovana kapa ranjo politika. Ny minisitry ny fitsarana teo aloha Charles Andriamiseza kosa efa tsy nankasitrahan’ny mpitsara maro, ary efa nifanandrina tamin’ny sendikan’ny Mpitsara (SMM) mihitsy tamina lafin-javatra maro, raha tsy hilaza afa tsy ny raharaha Claudine Razaimamonjy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.