Politique

Governemanta Minisitra 14 hosoloina


  • Alatsinainy 18 Janoary 2016

Taorian’ny kabary nataon’ny filohan’ny Repoblika teny Iavoloha, ny Asaramanitra 8 janoary, nanaovany tsindrom-paingotra ampahibemaso fa tsy fantatry ny olona ny asa vitan’ny

 

fanjakana tarihiny dia efa samy miandry ny rehetra fa tsy haharitra intsony io governemanta Ravelonarivo io. Raha minisitra 8 teo alohan’iny kabary iny no heno fa mety hosoloina, dia re avy amina loharanom-baovao samihafa indray izao fa 14 be izao no mety hisaorana. Ny sasany amin’ireo anefa mety hotendrena ho Loholona, fa ny ankamaroany kosa hoesorina tanteraka.

Manafaingana ny fanalana azy ireo, ny vokatra tsy mitsahatra ny mihemotra azon’ity governemanta indray mitoraka ity ; governemanta izay nanao fanamby nametraka tanjona hotratrarina isaky ny 100 andro nefa tsy vitany. 100 andro in-droa miantoana izay no natao, 94%nny tanjona nofaritany no tratrany tamin’ny andiany voalohany, 87% izany tamin’ny andiany faharoa. Vokatra tsy azo ianteherana, ary ampy nitsarana ity governemanta ity ny tsy fahafehezany ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy. Porofo mitohoka amin’ny tendany iny raharaha fakana an-keriny nitranga farany tany Toamasina tamin’ny 23 novambra 2015 iny. Tanàna tsy dia lehibe manao ahoana i Toamasina, nefa 50 andro be izao vao avotra ny iray tamin’ireo zaza nisy naka an-keriny. Namoy ny ainy aza moa ny iray. Dia izany ve no hianteherana amin’ny fampiantranoana fihaonambe an-tampony in-droa miantoana, dia ny an’ny COMESA amin’ny volana oktobra sy ny Frankôfônia amin’ny novambra. Ny firongatry ny kolikoly tsy resahina intsony amin’ny asam-panjakana, ahitana izany ny sehatra rehetra fa ny tena mampitaraina ny olona dia ny fitsarana, ny fananantany, ny fampianarana, ny fahasalamana … Izany ve no mbola hotohizana ?

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT