Politique

Governemanta Mbola hisy fanovàna indray ?


  • Talata 24 Oktobra 2017

Re izao fa mbola hisy ihany ny fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta mialoha ny faran’ny taona, izany hoe misy ny minisitra mbola hoesorina na hafindra toerana.

 

 Tsotra ny anton’io raha ny filazan’ny loharanom-baovao iray akaiky ny fitondrana dia ny fiomanana amin’ny fifidianana 2018 ka hametrahan’ny filoham-pirenena ekipa azo atokisana tsara fa hiasa amin’ny fampandresena azy mandritra ny fifidianana satria tsy hiadian-kevitra intsony izao fa efa kandida i Hery Rajaonarimampianina na dia tsy mbola nanao fanambarana ofisialy aza. Fa eo ihany koa ny fanesorana ireo minisitra hita fa tsy nahavita ny asany araka ny tokony ho izy, araka ny efa nambaran’ny filoha hoe : tokony hanaja tena ka miala ireo mahatsapa fa tsy nahavita ny asany, fa rehefa tsy izay dia azo atao tsara ny manolo azy ireny. Nisafidy ny fanovana tsikelikely fa tsy tonga dia indray maka ny filoham-pirenena amin’ity resaka governemanta ity .Fomba fiady politika ihany izany mba tsy hahatonga resabe hoe tsy nahavita azy ny governemanta ka noravana, minisitra iray na roa foana no noesorina na nafindra toerana hatrizay mantsy. Ny azo antoka kosa anefa dia tafiditra ao anatin’ny masontsivana hitazonana na hanesorana minisitra ny tranga nisy teto amin’ny firenena toy ny valanaretina pesta, ny tsy filaminana izay nampirongatra ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy ary ny gadra tafatsoaka. Manaporofo hatrany ny fahasahiranan’ny mpitondra amin’ny fitantanana ny firenena ity resaka fanovana mpikambana ao amin’ny governemanta ity ary azo hanaporofoana hatrany fa be loatra ny resaka an-taratasy eto fa rehefa tena hiasa maivana be ny zava-bita.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT