Tsy maintsy manana tondrozotra ny minisitra tsirairay mpikambana ao anatin’ny governemanta, hoy ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier.
Sori-dalana izay takiana vokatra mivaingana sy azo tsapain-tanana ao anatin’ny fotoana fohy. Hifototra amin’ny fijerena manokana ny ady amin’ny fahantrana ny asa hotanterahana ao anatin’ny tetikasa fohy ezaka voafaritra ao anatin’ny 3 volana. Laharam-pahamehana amin’izany ny lafiny fitsinjovana ara-tsosialy ireo Malagasy tena sahirana, hoy ny praiminisitra lehiben’ny governemanta nandritra ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety taorian’ny fanolorany ny politika ankapoben’ny fanjakana teny amin’ny Lapa maitson’ny Antenimierandoholona Anosikely omaly. Mila fotoana lavalava kosa ilay antsoina hoe «décentralisation économique» na fanapariahana ireo tetikasa ara-toekarena samihafa manerana ny faritra. Tsy vitan’ny hanome asa ny mponina eny ifotony fotsiny mantsy io fandaharanasam-panjakana io fa hiteraka harinkarena ho an’ny fiarahamonina eny anivon’ny vondrom-bahoakam-paritra ihany koa, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny governemanta.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.