Politique

Governemanta Mahafaly Olivier 90 andro ihany ?


  • Alakamisy 21 Aprily 2016

Raha nisy koa governemanta tototry ny fanakianana dia ity tarihin’i Solonandrasana Mahafaly Olivier ity.

 

Vao manomboka dia rakotry ny fantsy, tsy mba afaka mianoka akory ny 100 andron’ny famindram-po (100 jours de grâce) fa dia mirarak’ompana ny kihana. Miray feo  ny ankamaroan’ny ny mpanao politika fa tsy hamaha olana io governemanta io na hovaina im-polo kely aza ny praiminisitra satria ny rafitra sy ny fomba fitantanana ny firenena mihitsy no rangory fototr’izao tsy fisian’ny fitoniana politika sy sosialim-bahoaka izao, ka mila ovaina ny lalàmpanorenana ary irosoana ny fifidianana filoham-pirenena mialoha ny fotoana. Ireo antokon-draharaham-panjakana samihafa moa dia manao ranolava ihany koa izao ny filazana fahadisoam-panantenana tamin’ny nandrafetana an’io governemanta vaovao io, indrindra tamin’ny mbola namerenana ny antsasamananilan’ireo minisitra tao amin’ny governemanta Ravelonarivo Jean, izay efa fantatra fa tsy namokatra ary tsy nanao afa-tsy naneritery ny mpiara-miasa aminy. Eny hatramin’ny fiarahamonim-pirenena aza vaky vava amin’ity governemanta Mahafaly Olivier ity, nefa tsy mbola miherina akory ny andro nananganana azy. Raha governemanta hiady amin’ny fahantrana sy ny fahalovana ary ny tsy fandriampahalemana moa no nilazan’ny praiminisitra Mahafaly Olivier ny azy, dia efa tonga any amin’ny hoe  « Governemanta 90 andro » ihany io ny filazan’ny mpandinika sy ny mpanao politika sasany. Hiaraha-mahita eo !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT